• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Acadie Nouvelle
Image
Tantara

Moov Confidences : Ireo antony mahatonga ny olona hitazona ody sy hamosavy

03/05/2023 07:53 © Moov.Mg

Mpitaiza iray eto an-drenivohitra no mitantara ireo antony samihafa anantonan'ny olona azy. Tsy vitsy tokoa ny Malagasy no mbola manantona ''mpitaiza'' mba angalana ody gasy. Misy moa ny lasa mamosavy, indrindra ireo mpaka ody fitia. Ny lafim-piainana rehetra nefa dia voakasiky ny "fitsaboana Malagasy" avokoa.

Maka fiarovana

Fahazarana amin'ny Malagasy maro ny maka "fiarovana". Natao izy ireny mba hiarovana amin'ny mpangalatra ny fananana sy ny loza samihafa izay mety hihatra amin'ny tena. Ireo ody araka izany no isorohana ny vaky trano, ny fanendahana eny an-dalambe sy ny lozam-pifamoivozana. Ity karazan'ody ity moa dia tsy mitarika amin'ny famorihana olona na fivoahana alina.
Misy tokoa ireo fombafomba arahina mba hampandraitra ireo ody. Ny ankamaroan'ny mpitaiza dia mandrara ny fihinana kisoa sy tongologasy. Misy kosa nefa ireo ala faditra azo atao mba tsy ifadiana sakafo, toerana aleha, zavatra atao na lokon'akanjo.

Mamaha olana ara-pitiavana

"Tsy mitsaha-mitombo ireo maka ody fitia, indrindra fa ireo tanora. Arakaraka ny tanjona iriana ny fombafomba sy sorona takiana amin'izay mila izany. Raha zavatra goavana no angatahina dia tsy vitan'ny fanomezana intsony. Ny tena mihitsy no atao sorona, ka mety hampivoaka alina ireo ody tazomina", hoy ilay mpitaiza. Araka ny nambarany hatrany, mizara roa ireo olona manantona azy : ao ireo tokan-tena mikendry olona iray mahafinaritra azy, ary ireo manambady izay tsy te ho rava tokantrano.
Ny ody fitia no ampiasaina isarihana olona iray izay tsy liana na tsy tia mihitsy aza, nefa mampitsiriritra. Mety hanaiky tsy satry io olona io ka eo indrindra no anararaotana fanatanterahana fanambadiana raha te hamatotra azy tanteraka. Tsy vitsy ireo vehivavy miharitra fampirafesana no mitazon'ody, mba hody sy hanome vola tsy tapaka ilay vadiny. Tsy afa-miala araka izany ilay lehilahy, na tsy misy fitiavana ny tokantranony intsony aza izy. Atolony manontolo ny vady aman-janany ihany koa ny volany rehetra. Amin'izany dia tsy maintsy adinony izay vehivavy mahavariana azy any ivelan'ny tokantrano.

Misarika harena sy fahefana

"Ireo tena tsy manana dia te hanana, ary ireo efa manana dia te hampitombo hatrany izay eo am-pelatanany. Liana amin'ny harena sy fahefana ny Malagasy ka na inona na inona sorona takiana dia manaiky ireo te ho tafita haingana", hoy ilay mpitaiza. Tsy mifidy saranga ny fitazomana ody mba hahamora ny fahazoana asa, hampahomby ny asa atao, handrombahana fahefana na hitazomana sy hampitomboana hatrany izay harena efa azo. Raha toa ka ratsy vintana ilay olona dia azo atao ny fanarenam-bintana. Misy fepetra takiana moa amin'izany, ka ifandinihan'ny mpitaiza sy ny olona voakasika mialoha izany.
"Marihana fa tsy misy marika ivelany ahafantarana azy ireo olona mitazona ody. Tahaka ny olona rehetra izy ireo eny amin'ny fiaraha-monina, sady afaka manohy ny fivavahany any amin'ireny fiangonan-dehibe ireny. Misy fepetra mila arahina fotsiny, anisan'izany ny fanajana ny fady sy ny fanatanterahana ireo fombafomba na rituels", hoy hatrany ilay mpitaiza. Misy ireo mila maka vovom-paty na mihosotra ran'ny biby izay natao sorona.

Mialona ny hafa

Tsy vitsy ireo manantona mpitaiza mba hamotehana ny fiainan'ny hafa. Toy ny lojika mantsy no manao ratsy ny fahavalo. Amin'izany dia amosaviana ilay olona mba harary, ho very asa na hikorontana ny fiainam-pianakaviany. Matetika moa dia namana na havana akaiky no mamosavy rehefa misy fivoarana tsy ampoizina ny fiainan'ny manodidina azy. Arakaraka ny tanjona tian'ilay olona te hamorika hahatongavana ny fepetra takian'ny masina amin'izany. Misy fombafomba maro ihany koa hahafahana mikasika ilay olona tiana amosaviana. Ilaina ohatra ny sariny, na ny singam-bolony na ny silakohony.
"Tsy voatery handaitra nefa ny famosaviana, raha manana mpiaro manokana ilay olona amosaviana. Tsy vitsy ohatra ireo tena mpivavaka no tsy andairan'ny famosaviana. Ny tena loza aza dia mety hifototra amin'ilay mamosavy ny ratsy tiany atao amin'ilay olona. Misy ireo tsy manaiky izany fa mikendry ny ain-dehibe. Amin'izany indrindra no ilana sorona sy fanoloran-tena tanteraka mba hahery kokoa ny ody", hoy ilay mpitaiza.

Mitady zaza

''Mampanaonao foana tokoa ny tsy fananana anaka. Misy ireo vehivavy miroso amin'ny fitazomana ody mba hitoe-jaza. Matetika izy ireny no efa lany haiky tamin'ny fitsaboana tany amin'ireo dokotera sy mpanotra isan-karazany. Ny tsy fantatr'izy ireo nefa dia mety tsy ampoizina izay zavatra angatahin'ny masina ho takalon'ny Zaza. Misy ireo voatery mitady zaza hafa atao sorona aloha, ao ihany koa nefa ny tsy maintsy manolotra ny ain'ny zaza voalohany", hoy ilay mpitaiza.
Maro ireo vehivavy manana olana amin'ny fahazoana taranaka no mitady izay fomba rehetra azo atao ahazoana Zazakely. Misy amin'izy ireny mantsy no kasain'ny vadiny ilaozana.

Fintina : Olona tia mibaiko ny ampitso sy tsy manaiky alahatra

"Tsy misy te ho tratry ny aloka isika rehetra : te hanana fahefana ny amin'ny ampitso sy amin'ny hafa ihany koa", hoy ilay mpitaiza. Amin'ny ankapobeny dia tsy manaiky ny zava-mitranga ny olombelona ka te hisafidy anjara tsaratsara kokoa, araka izay heveriny. Tsy vitsy araka izany no lasa mamorika sy mivoaka alina. Marihana nefa fa manam-petra ihany ny herin'ny sampy na dia afaka manova fiainana vetivety aza. "Tsy afaka manova tanteraka izay baikon-janahary ny olombelona, na mivavavaka sy manao fanompoana amin'iza na amin'iza. Misy toe-javatra tsy ahafaha-manoatra, nefa raha tsy mety manaiky ilay olona dia misy fepetra takiana misimisy kokoa, toy ny sorona ain'olombelona ohatra", hoy hatrany ilay mpitaiza.
Sarotra tokoa nefa izany manaiky entin'ny onjam-piainana izany. Tsy mifanaraka amin'ny sain'olombelona velively mantsy ny anjara sy ny lahatra. Ny tena mahatalanjona dia tsy ny mpitaiza nentim-paharazana Malagasy ihany no mahaliana ny maro. Efa malaza ihany koa ireo mpitsabo indiana izay milaza ho mahay mamantatra ny hoavy sy manova vintana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo