• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Le Mag Ubaldi
Image
Sexualité & Mariage

Fandrahoana sakafo : Saribao, Gaz sa Induction no fatana mitsitsy ?

20/03/2023 13:27 © Moov.Mg

Anisan’ny fandaniana mavesatra ao an-tokantrano ny fitaovana fandrahoana sakafo. Efa mihamaro ny fatana afaka hampiasaina raha ny eto Madagasikara manokana. Iza ary no mitsitsy kokoa, ny fatana saribao, ny gaz sa ny induction ?

Fatana saribao, betsaka mpampiasa indrindra eto Madagasikara

Ny fatana saribao no betsaka mpampiasa indrindra raha ny eto Madagasikara. Samy mampiasa azy avokoa na ny any amin’ny toerana somary ambanivohitra na ny eny an-drenivohitra. Maro ireo lafin-tsara ny fampiasana azy. Ireo olona mikarama isam-bolana dia afaka mividy saribao aminy gony isam-bolana. Amin’ny ankapobeiny mahalany iray gony sy tapany isam-bolana eo ho eo ny ankohonana iray raha andrahoana sakafo maraina, atoandro, hariva ity fatana ity. Maro ireo olona mividy saribao amin'ny antsinjarany. Lafo kokoa anefa izany rehefa kajiana ny vidin’ny lany ao anaty iray volana. Manodidina ny 30 000 ariary ny gonin’ny saribao iray milanja 50 kg. Mahalany eo amin’ny 45 000 ariary isam-bolana eo ho eo farafahakeliny izany ny tokantrano iray mampiasa fatana saribao.

Fatana gaz, efa takatry ny fahefa-mividy ny rehetra

Anisan’ny fatana efa ela nisiana teto Madagasikara ny gaz. Tamin’ny voalohany dia ireo tokantrano sokajiana ho « manan-katao » no mampiasa azy io. Ny fahalafosan’ny fatana natokana amin’ny gaz no isan'ny antony voalohany tsy nahatakaran’ny be sy ny maro ity karazana fatana ity. Ankehitriny dia efa mihamaro ireo fatana afaka ampiasana gaz ary efa azo lazaina ho mirary kokoa ny vidin’izy ireny. Indray mandeha vidiana ilay fatana sy ny bouteille fa ny gaz no vidiana isak’izay lany. Misy karazany ny lanjan’ny gaz afaka jifaina eny amin’ny mpivarotra : 4kg, 9kg, 12 kg… Miankina amin’ny lanjany ny vidiny. Mety maharitra roa na telo volana ny gaz 9 kg raha andrahoana laoka mora masaka sy mampiasa rice cooker etsy andaniny. Manodidina ny 65 000 ariary eo ho eo ny vidin’ny gaz 9 kg.

Fatana induction, fatana mitsitsy kokoa

Efa manomboka be mpampiasa eto amintsika ny fatana induction. Afaka mampiasa azy avokoa ny sokajin’olona rehetra izay manana jiro ao an-trano. Efa maro ny fatana induction amidy eny an-tsena ary manomboka eo amin’ny 90 000 ariary eo ny vidin’izy ireo. Mety mahatratra hatramin’ny 300 000 ariary ny karazany tena raitra. Ny tombontsoan’ny fatana induction dia izy mora mahamasaka sakafo. Tsy mandany jiro be noho izany ny fampiasana azy. Ilainy kosa anefa ny herin-jiro matanjaka tsara. Anisan’ny fatana mitsitsy ny induction raha oharina amin’ny fatana saribao sy gaz. Ilay karazany mifidy vilany (natokana amin’ny induction irery ihany) no tsy mandany jiro indrindra. Tsara kokoa anefa ny mampiasa gaz na saribao etsy ankilany mba hialana amin’ny fahasahiranana ateraky ny fahatapahan-jiro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo