• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Asa & Fianarana

Asa tanana ekolojika - R'Art Plast : Fako plastika avadika poketra sy haingon-trano

16/03/2023 09:05 © Moov.Mg

Miha mahazo vahana eto Madagasikara ny fanaovana « recyclage », izany hoe ny famadihana fako ho lasa akora na zavatra azo ampiasaina indray. Anisan’ireo orinasa misehatra eo amin’izany tontolo izany ny R’Art’Plast. Ny fako plastika no ahodin’izy ireo mba ahazoana akora ampiasaina amin’ny asa tanana isan-karazana.

Asa famoronana miaro ny tontolo iainana

Anisan'ny mpanimba tontolo iainana ny plastika. Taona maro dia maro vao mety mahapotika io singa io. Izany indrindra no maharisika mpikaroka maro maneran-tany ny amin'ny famadihana azy ho lasa zavatra vaovao sy maharitra.
Ny R'Art Plast dia orinasa kely niforona ny taona 2019 ary misehatra amin'ny fanodinana fako plastika. Ny dingana voalohany amin'izany dia ny famokarana "laine polyfloss". Ity farany moa dia karazana tady matevitevina ahafahana manenona lamba ahavitana poketra sy haingon-trano isan-karazany. Azo randranina ihany koa ny akora mba ahazoana lamba ampiasaina amin’ny fisakafoanana na "set de table".
Marihina moa fa tsy azo anaovana akanjo ny plastika voaodina. Tsy zakan'ny hoditra loatra ny "laine polyfloss". Izany indrindra no antony ampiasana azy amin'ny kojakoja amin'ny haingo, na ho an'ny vehivavy izany na ho an'ny trano.

Tetik'asa mampivoatra sy mahavelona

Mila faharetana avokoa na ny fandodinana ny fako plastika na ny fanonenana ny "laine polyfloss". Mila mampiasa fitaovana manara-penitra ireo mpikirakira mba ahazoana vokatra tsara. Miavaka tokoa ireo asa tanana, na eo amin'ny endriny na eo amin'ny faharetany.
Mahavelona ny asa tanana ekolojika, hoy ireo mpamorona ao amin'ny R'Art Plast. Tsy mitsaha-mitombo ireo Malagasy manome lanja ireo vokatra ekolojika avy eto an-toerana ihany. Tsy adino ireo vahiny, na monina eto Madagasikara na mpizaha tany, izay mitady vokatra tsy manam-paharoa.
Marihina fa nandray anjara tamin'ny hetsika "Tana Design Week 2023" ny R'Art Plast. Nanamarika tamin'izany ny fampisehoana mivantana ny fomba fanenonana ny "laine polyfloss".

Tolo-tsaina amin'ny fananganana orinasa

Tsy voatery miasa anaty orinasa vao tafita. Anisan'ny antoky ny fahombiazana ny fananganana orinasa, na dia kely aza no iandohana. Ho an'ny R'art Plast, akora mora vidy no iaingana ahazoana akora miavaka. Boatim-panafody plastika ihany aloha hatreto no ampiasain’izy ireo. Eo amin'ny fividianana fitaovana no mila mampiasa vola misimisy. Ny vidin'ireo asa tanana avy eo no miantoka ny fandrosoan'ny orinasa.
Amporisihina ireo tanora mba hitrandraka ny talenta miafina, ahitana tetik'asa ahazoana loharanom-bola maharitra no sady anasoavana ny mpiara-belona.

Araho an-tsary àry ireo santionan'ny asa tanana vita amin'ny boatim-panafody plastika
Eto izao isika dia mahita "lustre", "trousse" ary "set de table"


Copyright Image : © R'Art Plast

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo