• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Rtbf.Be
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza farofy : ireo fomba atao anamafisana ny hery fiarovan’ny zaza

01/03/2023 08:28 © Moov.Mg

Matetika ny zaza farofy dia mora andairan’aretina. Mila ampitomboina ny hery fiarovana ao aminy mba hampatanjaka azy sy tsy ho mareforefo intsony. Ireto avy ary ireo fomba atao anamafisana ny hery fiarovan’ny zaza farofy.

Ampifaneraserana amin’ny tontolo ivelany ny zaza farofy

Mila avela mifanerasera amin’ny tontolo ivelany ny ankizy mba hamoronan’ny vatany hery fiarovana isan-karazany. Matetika mantsy ny zaza farofy dia kenakenaina sy hidiana ao an-trano mba tsy ho traty ny loto eny ivelany. Hevitra diso tanteraka anefa izany. Ilain’ny ankizy ny mifanehitra amin’ny mikraoba mba hiezahan’ny hery fiarovany hiady amin’izany. Rehefa resy ilay aretina dia misy sela voatahirin’ny vatana izay afaka hiaro azy mandrak’antitra. Ny zaza farofy izany dia mila milalao eny an-tokontany, farafahakeliny 30 minitra isan’andro.

Omena sakafo be otrikain’aina sy mampatanjaka ny zaza farofy

Ny ankamaroan’ny otrik’aina, vitamines sy minéraux ilain’ny vatana dia hita ao anaty ny sakafo. Mila omena karazan-tsakafo mitahiry ireny singa ireny ny ankizy, indrindra ny zaza farofy. Noho izany, omena nonon-dreny ela sy betsaka ny zazakely. Manankarena otrik’aina tokoa mantsy ny nonon-dreny ary manampy betsaka amin’ny fiforonan’ny hery fiarovana eo amin’ny zaza. Tsy adinoina ny manome voankazo sy legioma maro loko ny ankizy. Tsara kokoa ny voankazo raha hoanina manta ary ny legioma atao masaka amin’ny entona mba ho voatahiry avokoa ny otrik’aina ao aminy.

Omena « compléments alimentaires » ny zaza mareforefo kely

Afaka atao ihany koa ny manome ireny « compléments alimentaires » ireny ho fanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza farofy. Maro karazany izy ireny. Eo ny « compléments alimentaires » manamafy ny tratra ho an’ireo zaza mikohaka lava sy seriserena, manamafy ny sela anaty tsinay ho an’ny ankizy mivalambalana matetika…

Ahena ny rarintsaina eo amin’ny ankizy

Anisan’ny mampihena ny hery fiarovan’ny ankizy ny rarin-tsaina. Ilaina ampitomboina noho izany ireo « hormones » mitondra fahasambarana izay mampatanjaka ny hery fiarovana. Izany hoe, mila safosafoina, omena teny mamy, fihinina matetika ny ankizy, indrindra ny zaza farofy. Ezahana ho ampy torimaso ihany koa izy ireo. Manampy amin’ny fihavaozan’ny sela anaty vatana ary manome hery tokoa mantsy ny torimaso.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo