• Cours de change
  • 5179.76 AR
  • |
  • $4464.78 AR
Copyright Image : © L.Frii
Image
Fahalalana Ankapobeny

Lacrymogène : Inona no atao raha mangirifiry ny maso sy ny hoditra ?

03/10/2025 07:39 © Moov

Marobe ireo tratran'ny Gaz Lacrymogène tsy fidiny amin'izao toe-draharaha mafana eto amin'ny firenena izao, indrindra ireo mipetraka an-tanàn-dehibe. Entin'ny rivotra rahateo ilay entona ka mety mahare fofona avokoa izay manodidina ny faritra misy fihetsihetseham-bahoaka.

Anisan'ireo toerana mafana ny eny Ankatso, Tsiadana, Ankadifotsy, Analakely, Anosy, sns. Tsy ireo mpanao fihetsiketsehana ihany araka izany no voa mafy rehefa misy fanapoahana entona mandatsa-dranomaso, fa ireo mponina eny amin'ny manodidina ihany koa. Tsy adino ireo mpandalo izay tsy maintsy mivezivezy noho ny antony samihafa.

Fanasana maso amin'ny rano

Raha tratran'ny Gaz Lacrymogène ka mahare mangirifiry, tsara raha sasana amin'ny rano madio avy hatrany ny tarehy. Rano mangatsiaka no ampiasaina amin'izany. Fafana amin'ny "serviette" malefaka tsara avy eo ny tarehy, ary asiana "SSI" (solution saline) ny maso.
Raha mahatsiaro mafana tampoka, tsara raha esorina avokoa ny akanjo ka soloina vaovao. Tsara raha akatona avokoa ny varavarana sy ny varavarankely rehetra ao an-trano.

Asiana "compresse" ny maso

Raha mbola tsy zaka ny hirifiry, ilaina ny mampiasa "compresse" misy rano sy vinaigitra. Akipy ny maso ka apetraka eo ilay compresse mando tsara. Azo atao amin'ny faritry ny hoditra mangirifiry ihany koa ny compresse. Marihana fa tsy azo atao mahery be ny vinaigitra sao mampiofaka ny hoditra. Azo ampiasaina tsara ihany koa ny rano mifangaro ronono.
Amporisihana ny fisotroana rano na ranon-tsiramamy na ranom-boankazo mba hampiverin'aina haingana.

Torohevitra samihafa

Raha toa ka efa fantatra fa handefa baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana eny amin'ny manodidina, tsara raha esorina avokoa ireo karazana vokatra fikarakarana tarehy (crème solaire, maquillages, sns). Mitana kokoa ny Lacrymogène mantsy izy ireny. Esorina ihany koa ny Lentilles amin'ny maso.
Raha toa ka hivezivezy amin'ny toerana mety hisy fifandonana, ilaina hatrany ny mitondra rano sy arovava. Mety hanampy amin'ny fiarovana ihany koa ny satroka sy ny solomaso.

Lire la suite

Articles Similaires