• Cours de change
  • 5179.76 AR
  • |
  • $4464.78 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Madagasikara

Krizy : teboka vitsivitsy hamerana ny fiantrakan’izany amin’ny andavanandro

29/09/2025 13:55 © Moov.Mg

Ny fitokonana dia mety miteraka krizy sosialy sy ekonomika eo amin’ny firenena. Maro arak’izany no mety ho fiantraikan’izany, ka anisan’izany ny fikorontanan’ny tohitohim-pamatsiana samihafa, toy ny famatsiana ara-tsakafo sy ireo entana madinika fampiasa amin’ny andavanandro. Ireto ary misy teboka vitsivitsy hamerana ny fiantraikan’ny krizy eo amin’ny andavanandrom-piainanana.

Manangona ny sakafo sy entana madinika ilaina amin’ny andavanandro

Marina fa tsy voatery tsy maintsy mitarika krizy ekonomika na sosialy ny fitokonana rehetra. Saingy kosa, ambony tokoa ny « risques » mety mahatonga izany ka mba tsy ho tratran’ny tampoka dia ilaina hatrany ny miomana. Atomboka amin’ny fanangonana ny sakafo sy entana madinika ilaina amin’ny andavanandro izany, satria mety hisy ny fatapahan’ny famatsiana eo amin’ireo tsena sy mpivarotra, mety hisy ihany koa ny fiakaran’ny vidin’entana. Anisan’ireo tsara angonina arak’izany ny :
-Sakafo tsy mora simba, toy ny vary, paty, lafarina, voamaina, « conserves »… ;
-Vokatra maina, toy ny siramamy, sira, menaka, kafe, dite… ;
-Voankazo sy legioma, toy ovy, tongolo, karaoty… ;
-Savony, vovon-tsavony, saribao… ;
Tsara raha manangona fatra hahafahana miaina mandritra ny andro maromaro, miankina amin’ny faharetan’ny fitokonana. Raha manana vata fampangatsiahana dia azo atao ny mividy ny hena mahampy mandritra ny andro maro.

Miomana amin’ny fiatrehana ny asa aman-draharaha

Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanatanterahana ny asa aman-draharaha ihany koa ny krizy ekonomika sy sosialy mety ateraky ny fitokonana. Raha izany no mitranga dia efa mila miomana sahady amin’ny lafin-javatra maro, toy ny fitaterana, ny « télétravail »… Ho an’ireo miasa tena dia mila miezaka mijery sahady ny fomba ahafahana manohy ny asa fitadiavana sy mampifanaraka izany amin’ny toe-java misy.

Mikarakara sy mitandro ny fahasalamana

Tsy azo atao ambanin-javatra ny fahasalamana, indrindra mandritra ny toe-draharaha mafana toy izao. Miezaka hatrany mitandro ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana : mihinana sakafo voalanjalanja, manao fanatanjahantena, misotro rano tsara…
Ho an’ireo manana areti-mitaiza izay mila mihinana fanafody tsy tapaka dia ilaina ny mividy fanafody mahampy mandritra ny andro maro satria mety hiaran’ny fikorontanan’ny tohitohim-pamatsiana ihany koa ny farmasia. Raha azo atao dia asiana ireo fanafody mety ilaina amin’ny andavanandro tsy mila « ordonnance » ao an-trano, toy ny fampidinana hafanana, fampitoniana fanaintainana… Tsy adinoina ny fiezahana manamboatra saina sy ny fananana fitoniana ara-tsaina mba hiadiana amin’ny rarintsaina sy ny vokadratsy mety aterak’izany eo amin’ny fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires