• Cours de change
  • 5008.54 AR
  • |
  • $4481.05 AR
Copyright Image : © Greenweez
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanamboarana « lessive liquide » vita ao an-trano

12/05/2025 16:17 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ny ankohonana Malagasy mampiasa « machine à laver ». Noho izy ireny tsy mandany fotoana sy tsy mandany hery kokoa moa no mahasarika ny maro aminy. Ho an’ireo maniry hampiasa « lessive liquide » natoraly sy tsy lafo vidy dia azo atao tsara ny manamboatra izany ao an-trano. Araho eto ary ny fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra « lessive liquide »

-Savon de Marseille 50g ;
-Rano 1l ;
-Karibonetra 1 sotro fihinanana (manafotsy sy manala ny fofona ratsy);
-Huiles essentielles « gouttes » kely fotsiny hanomezana hanitra azy.

Ireo fitaovana ilaina

-Vilany ;
-Bidon lehibe ;
-Râpe ;
-Sotrobe hazo.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Kikisana madinika ny savon de Marseille.
Hafanaina anaty vilany ny rano, tsy avela hangotraka. Rehefa mafana tsara dia alefa ao ny savony voakiky. Aroharoana mandrapaha levona tanteraka azy.
Bataina teo ambony afo ny vilany. Arotsaka ao ny karibonetra. Aroharoana tsara ho levona. Ny karibonetra dia manafotsy ny lamba sy manala ny fofona ratsy aminy.
Avela somary ho matimaty ny fangaro. Arotsaka ny huiles essentielles. Aroharoana kely hifangaro.
Avela mangatsiaka ny lessive liquide. Rehefa mangatsiaka tanteraka izy io dia lasa mihamarihitra.
Rehefa vita dia afindra anatin’ny bidon na izay fitoerana hampirimana azy. Atao toy ny mampiasa lessive liquide mahazatra moa izy ity. Ahontsana tsara alohan’ny hampiasana azy.

Lire la suite

Articles Similaires