• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo vokatsoa azo amin’ny « massage du visage » na fanorana ny tarehy

30/04/2025 16:03 © Moov.Mg

Fihetsika iray mikolokolo sy mampahazo aina ny hodi-tava ny fanorana ny tarehy na ny atao hoe « massage du visage » na « massage facial ». Efa maro ireo matihanina misehatra amin’ity karazana fanorana ity. Azo atao tsara ihany koa nefa ny manao izany irery ao an-trano. Andeha ary ho fantarina ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny fanorana ny tarehy.

Mandrisika ny fikorian’ny rà

Ny fihetsika malefaka sy voakendry atao rehefa manotra ny tarehy dia mandrisika ny fikorian’ny rà ao aminy. Rehefa mikoriana tsara ny rà ao amin’ny tarehy dia mahazo « oxygénation » sy otrikaina tsara ny hodi-tava ka lasa salama sy mamiratra kokoa.

Mampihena ny « tensions » eo amin’ny hozatry ny tarehy

Toy ireo hozatra rehetra amin’ny vatana dia mety manangona « tensions » ihany koa ireo hozatra amin’ny tarehy, toy ireo eo amin’ny valanirano (mâchoire), ny andrina na koa ireo manodidina ny maso. Ny fanorana ny tarehy dia mampihena ireo « tensions » ka mampitony ny fikentronana, ny aretin’andoha ary ireo fanaintainana samihafa eo amin’ny tarehy.

Manatsara ny « élasticité » ny hodi-tava

Ny fanorana ny tarehy dia mandrisika ny famokarana « collagène » sy « élastine » eo amin’ny hodi-tava. Ny fizarana manao ity karazana fanorana ity dia manampy amin’ny fanomezana « souplesse » ny hoditra, mampihena ireo kentrona ary manome endrika malama kokoa azy io.

Mampitony ny rarintsaina sy ny tebiteby

Isan’ny fotoana iray fampitoniana ny vatana sy ny saina ny fanorana ny tarehy. Mandrisika ny fiasan’ny « système nerveux parasympathique » ny otra malefaka sy « rythmé » atao mandritra izany ka mampahazo aina sy mampitony ny saina. Fomba iray manampy betsaka amin’ny fampihenana ny rarintsaina sy ny tebiteby izy io arak’izany.

Lire la suite

Articles Similaires