Mandiniha,
Tena siora ve nareo ve mauvaise manipulation lay zavatra? Amiko tena tsy fahampin'ny traikefa mihitsy mantsy fa tsy izay fotsiny...... Otran'ny ilay problème de captcha tamin'ny authentification tamin'ny forum taloha ihany io, koa na efa 2 volana taty aoriana aza mbola tsy voavahandry zareo ihany.
Clean,
Misaotra namaly o............. Araka ny efa noteneniko io ambony io ,dia tsy fanadiovana no saika ataon'ny moov, fa eo amin'ilay traikefa no tsy ao mihitsy....... Fa mba au moins aloha efa mifankahita antsoratra eto ny mpiserasera mandra-picorriger ndry zalahy ity zavatra ity.......
Trandraka!
Misy vehivavy saha ve ato raha toy izao ny programa homaniko ho azy amina zoma manifika iray (vendredi saint-valentin ohatra).
Alaiko izy any ampiasanany, na any amin'ny toerana izay tiany, am 16h. Mandeha tongotra za, na bus amin'zany fa tsy hoe misy fiara an.
Koa satria somary mety noana kely amin'izany lera izany, dia hoentiko mihinana mofogasy na ramanonaka eo amin'ny manodidididina eo aloha satria izay no mora.
Lany ny mofogasy, dia manao la marche, (no sady exercice rahateo) eny Analakely, Antaninarenina sy ny manodidina eny, no sady miresaka ihany moa.
Koa satria mety efa maizimaizina ny andro, no mety efa reradreraka lay avy manao la marche, dia mitady toerana hisakafoanana sy hanalana hetaheta. Lay toerana handehanana amin'io ilay resto gasy ilay faran'ny mora ireny an, peu importe ny état-ny, fa sainga tsy atahorana hihisy mpamono olona fotsiny kosa aloha.
Tonga ny amin'ny 19h00 farafahatarany dia mila miainga avy ao amin'ilay resto gasy, fa handeha bus hatreny amin'ny Plaza hijery concert n'i Bodo - Mahery - RIja - Farakely (Tena misy rééllement ty concert ty am saint-valentin sao misy tsy mahalala an). Tsy adino ny tonga dia mivatsy rano, sy voanjo, alohan'ny hidirana ao am salle amin'izay mitsitsy vola.
Vita ny concert dia samy mody any amin'izay misy azy avy.
Izay izany ny programme fictif nomaniko ho anao amin'io Saint-Valentin io,..... koa mety misy ve vehivavy très classe saha hiaraka amiko amin'izany revin-gadrako izany? Mety tena manonofy aho angamba ô??
Miarahaba antsika rehetra! Mbo mila fanampiana aminareo ry namana eto aho raha ohatra kah.......Mila mikarakara cadeaux vitsivitsy aho, ho atolotra olona zay tsy fantatro izay hahazo azy..... Izany hoe mety ho lehilahy ny hahazo azy izany, mety ho vehivavy ihany koa, fa tsy ankizy na tanora kosa nefa, fa handao ataontsika hoe olona de 25 à 60 ans eoeo. Mety mbo hahazo sosokevitra vitsivitsy avy aminareo ve raha tsy mahadiso? Misaotra mialoha ô!!
Manaona daholo indray tsika ato!
Izay indray vao nitsidika tato fa nangingina ity forum moov ity teo aloha teo. Ka aiza daholo indray aza ny olona ô? Trandraka ihany no Trandraka hatrany ha ha!
Miarahaba ny rehetra!Fitiavana hafa kely no resahana eto.........Tena mankafy sakafo gasy ny tenako, kanefa indrisy fa tsy mbo afaka mihinana izany, amin'ny tena maha-sakafo gasy azy, nohon'ny tsy fisian'ilay sakafo gasy mihitsy aty amin'ny toerana misy ny tenanay (anana rehetra, voanjobory, ravitoto, tripes mainty, amalona,... sns sns).Sao dia mbo mahalala ianareo ry zareo, resto gasy (que des vary sy laoka, fa tsy lay menus stylés ireny an) sur TANA.... tsara ny laoka, misy choix, tsy dia atahorana loatra hankarary kibo. Hitotona hiala sasatra tsy ho ela any antanindrazana ny tena mantsy, ka tsy handany andro, sy hanahiran'olona amin'ny resaka sakafo fa tonga dia vary sy laoka ŕ gogo ny tanjona, hummmm hummmm miam miam..Tena serieux ilay fanontaniana.......Merci d'avance amin'izay ho valiny ô!
Angamba tsy zohina aminareo intsony ny fangalarana pseudo eto amin'ity sehatra ity..........Mino aho fa mahiratsaina daholo ianareo, ka hahatakatra sy hahay hanavaka ny vrai du faux......Efa authentifié ity pseudo-ko "trandraka" ity, ka tsy hihisy afaka ny hitondra izany pseudo izany intsony..... Tsy kely lalana nefa ny tsisy saina, fa mbo nampiany "point kely" etsy sy eroa, ilay pseudo trandraka, mbo te ho Za hono izy izany e.Natao ity sujet ity mbo hisarihana anareo handinika sy tsy ho voafitaka raha sendra cas toy izany, indrindra ho an'ireo izay efa mitaraina fa victime an'zany zavatra izany.Efa nolazaiko tany ho any, fa tsy mahagaga mihitsy raha mitazona ny lohany i Gasikara amin'ny fahantrana....... Toy izao ve moa ilay fisainana.
Marina ny voalazan'ny namana io ambony io.......Mbo zaro amin'ny tsy misy ry zalahy ny vehivavy hoa, fa hanenina anie lisany rehefa mandeha ny fotoana eh........Ho ento any amin'ny vary mitsangana izy rehefa tonga ny anniversaire-ny, ary raha tsy mety aminy izany, dia ario dieny izao izany sipa izany, fa olona tsy faka vady.........
Miaraha ntsika rehetra.........
Tena mbola mikavivia be mihitsy ny tenanay amin'ilay forum vaovao?.......... Manao essai aho io, ka manontany raha hitanareo ity post ity.....
Trandraka!