image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Manao ahoana daholo,Hono hoaho ry vhv, hafiriana no hahazakanareo ny vadinareo ho tsy miasa? volana sa taona?Vehivavy aho ary 2 volana zao ny vadiko no tsy miasa, niasa iany izy teo aloha nandritra ny 8 volana fa tsy mahaloa karama ilay toeram piasana dia nanao compression du personnel mintsy ny farany.Teo alohan io izy efa tsy niasa 5 volana koa satria niasa taminŕ toeram piasana iray izy efa ho 10 taona fa naleo niala fa niaratsy na ny ara bola na ny arak asa ka lasa miasa tsy mandray karama mandritran ny volana maro mintsy aza.Ankehitriny dia izaho irery no miasa, ny ankizy 2.Voatery izahay miafy be mintsy, mba manana asa tsara iany aho ary anisan'ny be karama amn io karazana asa ataoko io...fa tsy tonga akory ny karamako dia efa fantatra fa tsy ny antsasaky ny charges nay akory no vitany.Ilay vadiko tsy nahavita fianarana, bac fotsiny.Nanao asa tamnŕ call center ireny izy nandritra ny 10 taona ( ankoatry ilay 1 voalaza eo ambony ) fa niala satria efa lasa fanandevozana be ilay izy sady nankarary azy ny farany.Efa nanana toerana lehibe mintsy izy tao amn toeram - piasany fa noho ilay resaka eo ambony io dia nijanona izy.Izao anefa dia toa maneso anay ny tsy fahaizany satria tsita izay tena atouts - ny, tsy mahay informatique, tsy mahay francais, tsy mahay anglais...mozika iany no tena hainy. Tsy mahavelona nefa izany.Za zany no voatery tena mifofotra mafy amn asako...ndraindray ary aho asainy manao kolikoly any ampiasana sitrany aihay hono vola sao mba ahafahany manangana orinasa ho anazy.Nefa na anangana orinasa koa aza izy, dia atahorako tsy hahavita zvt akory.Zao aho asainy mitady asa be karama kokoa indray fa toa tsy mifanaraka amn zay noeritreretina hono ity asako ity.Miezaka aho ny tsy hanome tsiny azy, fa tena tsy hitako mints zay mba issue n ity resaka ity...Milaza fa mahafantatra olona izy, nefa ny olona rehetra toa tsisy manampy azy akory.Zao izahay tototry ny trosa.Ampianaro ny ankizy ry reto fa ny fiainana tsy vitan'ny fitiavana fotsiny am zao a.Misaotra namaky dia miala tsiny fa lava loatra.


Mialatsiny aho raha miteny fa bandy faible koa anie zany ilay ramose-nao raha izany e. Tsy ny miasa any anaty orinasa na mpiasam-panjakana ihany anie no atao hoe miasa e. Ny herim-po no ilaina de ampiana coco sy fahaiza-mikitika de ampiana vola kely de afaka manao asa-tena.Rehefa tsy velon'i lery io de hisy volontaire hamelona eo madama.


Bonjour,Mahereza fa hitako sarotra tokoa izany fiainanao izany. Ary hitako tena manao izay azonao atao ianao hamelomanana ny ankohonanao. Raha ny rariny sy hitsiny dia fankasitrahana sy fankaherezana no tokony ho azonao amin'ny vadinao indrindra indrindra nefa indrisy fa toa izy indray no manao tsy afapo amin'izay efa ezaka lehibe ataonao. Aza kivy izay angamba no azoko tenenina anao. Ny tokantrano fifanohanana ary marina ny voalazanao tsy mahavelona raha fitiavana fotsiny nefa raha misy ny fitiavana afaka hanosika anao handeha lavi-davitra kokoa.Sarotra dia sarotra aloha ho an'ny tokantrano raha olona iray ihany no mamelona. Rehefa tsy maintsy izay anefa no zava-misy ilay iray tsy miasa tokony mba mi-comprendre ilay iray miasa ary tokony hanome azy hery entiny manohy ny asa ataony.Ny tsara angamba dia miresaka ianareo mivady dia azavainao azy ny stress sy ny pression misy eo aminao miampy ny tahotra hanananao raha sanatria very asa koa ianao. Raha roa manko no miasa ka very asa ny iray mba moramora ho an'ilay iray very asa ny mi-gerer ilay perte d'emploi satria fantany fa mbola afaka miantehitra amin'ilay iray mbola miasa izy.Eto ihany koa no ahitantsika ny mety adintsaina mahazo ny lehilahy raha izy irery no miasa.Mahereza foana e!


Bendaka > bandy faible zany no mety ho fiantso azy. Efa ela izy no tonga saina fa tsy voatery miasa birao na miasa mpanjakana no atao oe miasa.Fa mahay mikitika izy ary vonona ny hiasa tena, fa ny vola ho entinay mihetsika no tsisy...ny karamako tapitra, ny trosa mitombo.Ny lhl misy ny miandry antsoina fotsiny, fa refa tena ao anaty fahasahiranana ny sainao, tsy am zany akory no andehanan ny lohanao.Aza kivy> misaotra mampahery. Na dia miezaka ny hanohana ana iany aza izy, misy fotoana aho reraka tena reraka.Ny ankizy no mampalaelo ana fa efa nanan tsaina ny hamono tena aho.Mivavaka aho fa toa tsy misy valiny, ny fiainako mandatsa ana.


miasa @ call center nefa tsy mahay anglais no tsy mahay français ? sa sécurité no nataony tao ?


rerakabe > tena hevitra faran'izay tsy mety kosa aloha le hoe mamono tena e. mahereza raha tena manolotra ny fiainanao @ Jesosy hianao oe apetrako aminao ny fiainanay fa tena mavesatra dia mavesatra dia hanampy anao izy RAHA MANDEHA @ FAHAMARINANA HIANAO, izany hoe aza manaiky izany manao kolikoly izany, raha tratra ao ampiasana ao hianao ka sanatria voaroaka dia ho aiza ny ankizy 2? hajao tsara ny asanao sady lazainao oe efa tsara karama ihany hianao. Izy moa zany etsy andaniny mibaiko fotsiny oe ataovy zao ataovy zao...nefa maninona raha mba izy koa no mitady solution hitadiavana vola sns fa tsy oe hiandry anao eo foana??


-Lay mamono tena kosa aloha ry rerakabe dia tena tsy solution mihitsy na inona na aona ny olana misy eo @fiainana a!tena esory ao an-dohanao tanteraka zay fikasana zay fa manjary manakana ny fahasoavana hiditra eo @fiainanao raha toa ka mivavaka ihany ian


Mamoy fo dia lasa mieritreritra hatramn famonoan - tena, nefa moa ireto zaza hanao ahoana,ary iza no hiahy azy.Ilay vadiko nasaiko miverina miasa amin'ny call center aloha mandra paha, fa tena NON catégorique no valiny.Mitovy genre amin'ny call center zany ilay asa e. Ireny offshore ireny, fa izy hono ts miverin - dalana zany...za entre temps miasa be tsy mahalala vizana.Miandry no ataony ao zao.Miandry hoe hisy valiny ny demandes natao, manao entretiens kely dia efa falifaly ..dia nefa avy eo miandry vasoka.Ny olom pantatra sasany miantso maika ery...refa tonga any..ka zay zao tsy manam bola sns. Lafo lotra enao ho anay sns.Asaiko mitady hevitra izy hanaovana location ny fiara - NON mbola betsaka ny formalités am zany.Ny anangana izao orinasany izao iany no mahamaika azy nefa tsy manana fonds, dé za no amporisihana hanao kolikoly. Tato ho ato aloha efa mba nihena iny satria nataoko izy oe "passible de renvoi ange aho raha tratra amin izany dia zay vao ho tena sahirana e".Dia valiany fotsiny oe "samy manao daholo ny olona rehetra fa ianao no saro tahotra. "Dia ao izy, mipetraka ao antrano fotsiny, manisa ny lera tsy maha ao antrano ana, ary manisa oe ohatrinona no lany izay tamin'ny karamako.Izy koa misy tension dia mihinana fanafody mandava taona, dia bien sur mbola any ampiasako no angalana ny fanafody. Dia nefa refa makany amin'ny dokotera dia mangataka an izao karazana fortifiants sns rehetra zao ...marina fa ny iantohan'ny fiasana izany fa mbola misy pourcentage esorina amin'ny karamako iany na izany aza.Rehefa tenenina izy dia oziz fotsiny oe " shhh zay pourcentage kely iny koa ve e".Zay mianakavy zao miafy be daholo.Ny ankizy efa 1 volana tsy ninana dibera, ronono Toplé no sotroina.Dia mbola ampiany koa oe "aleo hajanona izay extra n ireo ankizy ireo " zany oe ny fianarana mozika. Tsy nanaiky aho fa nataoko oe "ireo zaza ireo no hifohazana isa maraina ka tsy ho avelako izy no hiafy lotra izy fa ny lehibe no miafy". Tsy mahazo mitaraina hono ny vehivavy nefa tena mba mila mi evacuer iany koa fa tena efa reraka lotra.


Zany ny lhl retsy refa itany fa mavita enao a! lasa manao jombilo... zany ny matonga ny vhv sasany mody gisa. Ny ahy nisy fotona ko tsy niasa d itako otran nahita fiany t@lé izy d refa mimenomenona d nteneniko izy oe za nge ny tokony ho velominy fa ny karamako tokony fanampiny fts e! izy ny lehilahy fa tsy za d izy no tokony amelona. ampafantariko azy tsara mintsy zany ampietsika ny ambo-pony.Important b io andraikiny ny lahy sy ny vavy ao an-tokatrano io an! Ankotr'zay mamorona orinasa zany tsy mora ry neny a! ampafantaro azy fa tena mila olona miforitra zany ndrindra raha keli2 vola. Mety fois 2 anzao ny fahasahirananareo ra miditra @zany satria ny vola ampandeanana ny orinasa @ voloany alou tsy maintsy miala @lé karamanao. Iny tsy tonga d ho rentable eo no ho eo fa mbola any @ 6 mois any ra alou ndrindra vo manomboka amorti ny fond de départ. Tsara lé oe te anorina orinasa fa saino iany fa so d revi2 njatovo fts fa io tena mila fahamatorana sy fahatanjahana ara-tsaina be.Ny oe 1 volana ny ankizy tsy ninana dibera, atraty io neny a! lé fiainana mintsy no efa sarotra e! Ny lehibe manao régie tsy fidiny.


Asaivo mi livre nem na sambos na yaourt na nem @ reny gargotte reny. Mila mifoha maraina be, mila finiavana be! Manomboka @ zay kely eo am pelatŕnana zany rehetra zany! Izy zany tia ho auto entrepreneur dia tokony mety @ny zany. Reo tsy mila fond be!Asaivo mamaky boky momba ny développement personnel, loi d 'attraction mba hananany pensée positive @ fiainana!Mirary soa fa samy mizaka ny hazo fijaliany daholo e! Misy manana confort matériel fa miady @ aretina tsy misy fanafany sns...