eny, tompoko, matoa izay ny olona iray nantsoinY dia :- olona efa nodiovinY zay !!!!>> zay mbola ela velona kosa dia olona mbola maloto izy zay !!!!
eny, tompoko, matoa izay ny olona iray nantsoinY dia :- olona efa nodiovinY zay !!!!>> zay mbola ela velona kosa dia olona mbola maloto izy zay !!!!
Ny olona rehetra rehefa rehefa maty dia miala eto ambonin'ny tany ny fanahiny fa ny nofony no tavela ao am_pasana. Tsy voatery nantsoin'ny Ray hody any Aminy avokoa ny olona rehetra fa misy ny toerana hametrahan'Andriamanitra ny tsirairay miandry ny fotoanan'ny fitsarana azy. Noho izany dia mila miomana dieny ety ambonin'ny tany ny olona tsirairay raha mbola velona izy raha tsy izany dia ho very ny fanahiny!
Ny sarotra d mahita reny olona voan ny alzemer reny ohatra...tsy mahalala ninn ninn tsony (ny saina io) na ny identité ny aza hadinony...ka izay no mahalasa ny fisainana mahita ny fomban ny olona manoloana ny olona efa hande hoe tsy azo hanontaniana intsony izy hoe mino an Atra ve sns...hanaovana ny rituel...Tsy mitovy am fijerintsika moa no tena hevitr Atra momba antsika e. Ny zvtr mifanohitra ndraindray d ny filazana hoe misy toerana hametrahan Atra ny olona araka ny sokajiny...sy ny hoe miandry ny fihavian ny fitsanganana am maty ao am vatana tsy misy aina intsony ny fanahin ny...izay no tsy hasahian ny olona sasany mandoro faty...
Tsy sitrako ny hafatesan'ny ratsy fanahy hoy i Jehovah; noho izany dia mety tsy ho sitrapon'Andriamanitra daholo ny nahafatesan'ny olona rehetra. Misy ny fahaverezana rey olona o, ka dia mila miomana isika rehetra dieny izao mbola velona izao sao dia hanenina rehefa tonga ny fotoana ialatsika. Mila mibebaka aloha ny voalohany indrindra amin'izany,Vakio ny Asan'ny Apostoly 2/38!!
Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao.Io no finoan'ny mpino rehetra. Ny mpino hoy aho eto. Satria be ny finoana fa kosa samy mino ny fisian Ilay Nahary ny zvt rehetra ny mpino.Mino ny olona fa Andriamanitra mahita ny ho avy Izy satria na mbola tsy hary aza ny olona d efa fantany sahady ny lalana halehany sy hosedrainy.Ny finoana kristiana d milaza fa Izy no nanome antsika endrika (fanahy toetra) tahaka Azy.Mipetraka anefa ny olana aty aoriana mahita ireo ratsy fanahy marobe manerantany hatramin ny andron i Kaina sy ilay anjely nazera ho lasa devoly.Moa tsy efa voalaza fa Andriamanitra no nahary antsika tahaka ny endriny ary efa nahafantatra antsika na mbola tsy hary fady aza isika ? Koa ny ratsy izay miseho, ny fandikandalana, ny ota ao ampon ny olona moa tsy efa voafaritra tanatin ny fahariana azy ? Andriamanitra mahalala ny ampitso hoy ny finoantsika izay mino ny fisian Andriamanitra marina. Ary Izy dia manana hevitra hitondra fiadanana hoy ny finoana kristiana. Efa fantany hoy ny kristiana izay hamadika an i Jesosy. Efa fantany fa handa Azy intelo Piera. Nahoana no avelan Andriamanitra hahazo ny fon ny olona ny ratsy hitsarany azy avy eo ? Moa tsy Izy no niteny hoe Izaho no mitantana anao am tanankavanan ny fahamarinako ka tsy hisy loza hanjo ny lainao ? Raha niavonavona ilay anjely tsara tarehy moa tsy efa noharian Andriamanitra ho toy izany ve izy ? Sa mba hanamelohana azy ho devoly ? Nahoana no nasian Andriamanitra ny devoly anefa voalaza fa Andriamanitra Tsara sady Mpanao Tsara Izy ? Moa tsy asan ny tanany avokoa na ny tsara na ny ratsy ? Moa nahary ny ratsy ve Izy hanamelohany azy ka mba hisehoany fa Tsara Izy ?Moa ny asan ny Tanany tsy efa ampy hanehoana fa Tsara Izy sady Mpanao ny Tsara ? Mandrakariva sahirana ny fon ny olona manoloana ny fisainan ny tenany manokana : mahalala ny hanao ny soa ny fony saingy ny fisainana ratsy izay tsy sitrany no tanterahiny mandrakariva.Iza no nametraka ny fisainana ao ampon ny olona ? Nomena ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy ny olona, napetraka eo anoloany ny fiainana sy ny fahafatesana.Andriamanitra anefa tsy tia ny olona ho very ary mahalala fa ratsy mandrakariva ny fihevitry ny fon-janak olombelona.Nahoana no avelan Andriamanitra hitoetra amin ny toerana sarotra ny asan ny tanany ? Moa noterena ve IZY hamorona ny olona araka ny endriny ka hampitoetra azy eo anoloan ny fiainana sy ny fahafatesana izay tsy hahaizany misafidy ny tsara noho ny faharatsian ny fisainan ny fony ka hanamelohany azy?Koa nahoana Andriamanitra no namela ny ratsy hitsimoka hiaraka amin ny tsara mba hanongotany azy ho ao anaty afo avy eo ? Moa tsy Andriamanitry ny Fahatsarana rehetra Izy mba hideran ny voaforon ny Tanany Azy ?Tsy nisy nahita an Andriamanitra fa raha tsy izany dia natao maty tokoa saingy nomeny ny Fanahiny homba sy hiteny tamin ireo mpaminany marobe izay nofidiany manokana. Moa Jesosy ambany kokoa noho ireo no afaka hantonin ny olona rehetra aty aoriana ? Moa Izy Andriamanitra tsy Fitiavana ary tsy mizaha tavan olona ? Tsy tokony afaka niresaka nivantana tamin ny olona rehetra ve Izy tamin ny alalan ny Fanahy Masina toy izay nihainoany ny Mpaminany fahiny.Moa tsy voasoratra hoe antsoy Aho dia hovaliako hianao. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho. Ho eo aminy Aho raha ory izy, hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.Moa tsy voasoratra fa ny Fanahy no miara milaza amintsika fa zanany isika mba hahafahantsika miantso an Andriamantra hoe Aba Ray ô ! Iza moa aho no hitsara an Andriamanitra ? Moa ny tanimanga afaka hibaiko sy hitsara ny mpanao vilanitany ? Olona noforoniny sy nohariany mba hanao ny sitrapony aho.Fa marina Izy raha mitsara ary tsy manantsiny Izy raha miteny.Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika, Izay lehibe am hery mbamin ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.Koa izany no atahoran ny olona Azy.Tsy misy mijery Azy izay manao azy ho hendry ampo.
Hono oa>>> matoa mametraka fanontaniana dia tsy mino no dikany.Matoa mbola mandroaka devoly efa resin i Jesosy teo ambony hazofijaliana dia TSY MINO ny asam panavotana vitan i Jesosy no dikany fa mila ampiana tosika ny asan olombelona hanamafisana izany. Olona be finoana miohatra am ny herin ny hazo fijalian i Jesosy sy ny ra nalatsany io.Ny zava miseho am fiainana andavanandro betsaka no azo jerena am maso tsisy solomaso misy koa ny ilaina solomaso matevina mba tsy ho lasan ny gourou
Mila mitandrina fa andro farany tokoa izao, na dia efa tamin ny taona faha 30 aza no nilaza izany ny mpianatri Jesosy.Ny mpitarika hisy hambabo ny ondry am hevitr izao tontolo izao hanompo ani satana amin ny fampiasana ankolaka ny didim pitiavana.Jesosy tsy nilaza hoe midira mpikambana am asan ny maizina hampisehoana fampiraisana ny tsara sy ny ratsy.Inona no iarahan ny maizina sy ny mazava ? Inona no ifanarahan i Kristy sy beliala ? Inona no anjara hikambanan ny mpino sy ny mpanompo sampy ?
Sarotra :Mila mitandrina fa andro farany tokoa izao, na dia efa tamin ny taona faha 30 aza no nilaza izany ny mpianatri Jesosy.------------------------------------Ho an'ny mpahay tantara sy ny mpandinika dia efa lany daty daholo ny faminaniana mikasika ny andro farany ao amin'ny baiboly1) Marka 14:62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.Marka 14:63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?Ny mpisoronabe hahita ny fiverenan'i Jesosy fanindroany -> efa lany daty 2)Marka 9:1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.Jaona 21:22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.Matio 10:23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanŕna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanŕnan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.Jaona 21:22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao....Amin'ny andron'ny mpanara-dia azy no ho avy indray i Jesosy -> Efa maty daholo nefa izao ny mpanara-dia Azy tamin'izany 3)Apokalypsy 1:1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,Apokalypsy 22:7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.Ho avy faingana Aho hoy i Jesosy -> Efa 2000 taona mahery izay nefa mbola tsy tonga ihany Izy 4)Hebreo 1:2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,Mino ry Paoly fa efa miaina amin'ny andro farany izy 1 Tesaloniana 4:16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra ...1 Tesaloniana 4:17 ... dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina ....Isika izay mbola velona 5)Apokalypsy 1:7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza 6)Jakoba 5:8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.Ry Jakoba koa nino fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. .....
Tena sarotra ny famoahankevitry ny soratra masina ry septik havako.Dia tsy hahandry ianao fa hitady lalankafa heverinao ho marina tsy mamitaka ? Ny finoana dia mino ny zavatra antenaina fa raha efa tonga sy hita maso izay hinoana dia tsisy intsony izay antenaina.Koa manantenŕ ihany na dia tsy hisy hanantena intsony aza, minoa ihany na dia tsy mamontsina foana aza ny aviavy.Mba hitsapanao ny finoanao dia mianara mamboly voanjavatra. Amin ny tany lonaka dia amin ny tany mafy tsy azo hasaina dia amin ny karazan toerana azonao hamafazana ny voanao. Ataovy amin ny fotoampamafazana. Dia manaova hafa indray amin ny salasalantaom pamafazana. Dia hafa koa amin ny fotiana hafa.Dia araho ny fivoatrany isaky ny toerana namafazana araka ny vanimpotoana namafazana.Dia andraso ny fitombony, ny faharetany, ny voa omeny isaky karazan-toerana namafazana araka ny vznimpotoana.Dia farito eo araka izay ny toetry ny finoana...ny halaliny ny faharetany ny fanantenana azonao apetraka isaky ny voa nafafinao tamin ny karazantoerana samihafa araka ny vznimpotoana tsy mitovy.
Jesosy nilaza tamin i Piera hoe aloavy ho an i Kaisara ny anjarany.Izy aza nila vola dia nanjono.Ilaina ny vola eo am asa socialy am maha citoyen am fivelomana am sécurité eto am tanana (na vao mainka misintona ny insecurite aza) vola no hanoratana eto am forum vola daholo no miasa vao velona na manana finoana hafa noho ny an ny olona aza.Vola no iainana na kely na be ny atidoha entina mandalina io boky navela hotondra fiainana io.Anefa tsy ny teny voasoratra retra ao no hamaritana ny finoana... Raha tsy izany ny mpianatri Jesosy ireny indrindra no tsy misy finoana satria tsy nisy ny tsy nahita ny boky nosoratan i Jaona tany antsesintany....