image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 140

Miarahaba anareo izay tsy manana olana, na ireo mitady hanana olana, na ianareo efa ao anaty olana ara-pitiavana na ara-panambadiana, traikefa vao niainanay vao tsy ela izy ity.

Ny mpivady tsy maintsy misy olana, ny fitiavana toy ny jiafotsy hoy ny razantsika malagasy, fao tsy afa-kasokasoka, tonta, tsy afa-dromborombo.

Feno XX taona ny fanambadianay, ny ankizy efa afaka nilaozana, nanapa-kevitra fa hanao week end lavitra ny ankizy sy ny asa ary ny adidy izahay roa. Samy tsy nisy niasa ny zoma hariva ka vao lany ny sakafo atoandro dia roso ny dia tany @ toerana lavidavitra kely ny misy anay, 100km mahery kely teo ilay toerana. Nanao enregistrement fahatongavana tao @ ilay hotel, dia lasa nanao exploration nocturne ny faritra manodidina no sady nitady sakafo alina.

Nandritra ny fotoana nisakafoanana dia nanao bilan kely ny XX taona nivadiana + XX taona mbola nisipanay roa: Nisy ny nihomehezana, nisy ny nampalahelo fa t@ io fotoana io anefa tsy namerina izay nampalahelo fa niara-niresaka fotsiny am-pahatsorana mba tsy hiverenan'izay nampalahelo. Niverina natory tao @ hotel ny alina ka niantomboka t@ firaisana ara-nofo "tsy nisy retenue" araka ny filazana azy satria tsy nisy nanelingelina mihitsy. Toy izany koa ny alina faharoa ary nofarananay ny ampitso maraina farany io firaisana ara-nofo io. Ataoko hoe zava-dehibe io fa raha tsy nisy an'izany dia mampieritreritra kely ihany hoe na efa niha-antitra ve ? sa nihena tokoa ilay envie satria efa tsy nisy parametre tsy hiverenan"ny libido intsony.

Somary insister-ko mafy io RS io satria araka ny tenin'ny namana irey vao hitako atsy @ rubrique sy sujet hafa atsy, ny firaisana ara-nofo dia toy ny rihitra manamafy ilay rindrin'ny fifankatiavana ka raha rindrina no tsy misy rihitra, mety mijoro ihany fa raha vao tonga ny rivotra, kotroka, horohoron-tany kely, miampy olon-kafa mihanika mitaingina dia rava ho azy ilay rindrina.

Raha efa nampirafy ianareo tao anatin'ny tokantranonareo na ny tao anatin'ny fiarahanareo en tant que couple ka te-hamerina indray ilay fitiavana niredareda taloha dia ataovy toy ny hoe niverina nanao sipa indray ianareo saingy ilay vadinareo (na sipanareo) io olona miaraka aminareo io.

Raha fitiavana tsy hiverina hiredareda avy amin'izany dia aleo tsy tohizana intsony fa ravana avy hatrany ka io fotoana io koa no ahafahanareo manapakevitra ny amin'izany.


ilay XX dia resaka inconnu fa tsy chiffre romain ry Befilhiana ah, tsy hotononiko ny taona nivadianay sy ny nifampisipainay fa manjary any ny olan'ny mpamaky mikajikajy hoe firy taona izany i Felantsoa ? Hahaha

Ialana tsiny ny fifangaroana resaka; raha tiako ho tena transparent io dia tsy nosiratako XX fa tonga dia ilay isa mazava.


mankasitraka amin ny fizarana. ary marina fa tena essentiel ny RS eo amin'ny mpivady.