• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanamboarana « bain de bouche » natoraly

14/04/2025 16:29 © Moov.Mg

Mbola vitsy mahafantatra sy mampiasa ny « bain de bouche » eto amintsika. Tena ilaina nefa izy io mba hanesorana ireo ambina loto sy bakteria tavela ao anaty vava, hiadiana amin’ny fofom-bava ratsy, hisorohana ny areti-nify sy aretin’ny hihy… Raha efa maro ireo « bain de bouche » azo jifaina eny amin’ny farmasia dia fantaro fa azo atao ihany koa ny manamboatra azy ireny amin’ny vokatra natoraly. Araho eto ary ny fanaovana azy.

« Bain de bouche » natoraly vita amin’ny ranon-tsira

Afangaro ny sira tapaky ny sotrokely sy ny rano matimaty 1 vera. Aroharoana tsara hifangaro mandrapaha levon’ny sira. Io fangaro io no hanontsanana ny vava mandritra ny 30 segondra aorian’ny niborosiana ny nify. Atao in-droa na in-telo isan’andro izany. Maro ny vokatsoa azo avy amin’ity « bain de bouche » natoraly ity noho izy manana fiasa « antiseptique » : mampihena ny « inflammation » ary manasitrana ireo ratra kely ao anaty vava.

« Bain de bouche » vita amin’ny karibonetra

Arotsaka ao anaty rano matimaty 1 vera ny karibonetra tapaky ny sotrokely. Aroharoana tsara hifangaro sy ho levona tanteraka ny karibonetra. Ampiasaina hanontsanana vava mandritra ny 30 minitra rehefa avy miborosy nify ity fangaro ity. Atao indray mandeha isan’andro ihany fa raha atao matetika loatra dia mety hanimba ny « émail » ny nify. Ny « bain de bouche » vita amin’ny karibonetra dia manala ny « acidité » ao anaty vava, manatsara ny fofom-bava ary manampy kely manafotsy ny nify.

« Bain de bouche » vita amin’ny jirofo

Atsoboka ao anaty rano mafana 1 kaopy mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra ny tahona jirofo 5 na 6. Esorina avy eo ireo jirofo ary avela hangatsiaka ilay rano nandomana azy. Io rano io no hanontsanana vava atao matetika ao isan’andro. Manana fiasa « antiseptique » sy « analagésique » ity « bain de bouche » natoraly ity. Izany dia manampy amin’ny fampitoniana ny fanaintainana sy ny areti-nify.

Fanamarihana

Tsy atelina ny « bains de bouche » natoraly vita ao an-trano.
Tsy mahasolo ny fiborosiana nify ny fampiasana « bain de bouche ». Izany hoe tsy afaka manala ireo poti-kanina tavela ao am-bava sy eo anelanelan’ny nify. Izay no antony hanaovana azy aorian’ny fiborosiana nify.
Tsy afaka tehirizina ireo « bains de bouche » natoraly fa manao vaovao isan’andro.
Raha misy marary ny ao amin’ny ati-vava na ny nify dia mila manantony mpitsabo nify mba hahazo ny fitsaboana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires