Salon du Chocolat et de la Gourmandise 2025 : Fanomezan-danja ny vokatra Malagasy
Tontosa androany 12 Aprily, teny amin’ny Carlton Anosy, ny hetsika "Salon du Chocolat et de la Gourmandise" andiany faha-7, nampitondraina ny lohahevitra hoe "Show Show Chocolat"
Fahombiazana ny hetsika ho an’ity taona ity, izay nahitana fandraisana anjaran’ireo mpampiranty miisa 32. Koa satria manakaiky ny fetin’ny Paska, saika nanolotra vokatra manokana mikasika izany fety izany ny ankamaroan’ireo mpampiranty : "lapin de Pâques" sy "œuf de Pâques". Nisy mihitsy aza moa ireo nahavita "Bûche de Pâques" vita amin’ny sokola.
Vokatra sokola tsy mena mitaha amin’ny any ivelany
Anisan’ny manana kakao tena tsara i Madagasikara, ka tombony lehibe ho an’ireo mpikirakira sokola izany. Efa misy tokoa ireo orinasa lehibe eto Madagasikara efa malaza any ivelany toy ny Chocolaterie Robert. Ho an’io orinasa io, hatramin’ny 100% ny kakao ampiasaina amin’ny "chocolat noir", mba hitazomana kalitaom-bokatra tena tsara. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny famoronana, na eo amin’ny fangaro, na ny tsiro na ny endriky ny vokatra.
Efa miha-maro ihany koa ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany misehatra amin’ny fanodinana kakao. Tahaka ny mahazatra, maro ireo karazana sokola omena tsiro sy endrika samihafa. Misy ihany koa ireo mofomamy na karazana zava-mamy be sokola, izay azo isafidianan’ny sokajin-taona rehetra. Tena be mpitia ohatra ny sokola hahitana vaingam-boankazo maina.
"Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanandratana avo ny vokatra vita Malagasy, satria tena tsara ny sokola vita eto Madagasikara", araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny Wednesday Morning Group, Fiona Tsiranana.
Vokatra Malagasy isan-karazany natao ho an’ny fahefa-mividy rehetra
Tsy ny sokola sy ny vokatra azo avy aminy ihany no naranty nandritra ny "Salon du Chocolat et de la Gourmandise". Nahavariana ireo mpitsidika ireo zava-mamy tsara endrika, toy ny Macarons sy ny Fleurs à sucre. Tsy voatery ho mofomamy mahazatra intsony no atolotra ny mpanotrona rehefa misy lanonana, fa maro ireo karazana zava-mamy miavaka na eo amin'ny tsiro na ny endrika.
Nahazo sehatra manokana ihany koa ny vokatra biolojika, ka tafiditra tao anatin'izany ny kafe, ny tantely, ny kaonfitira ary ny karazan-tsakay. Samy niezaka nanolotra vokatra takatry ny besinimaro ireo mpampiranty, na dia eo aza ny fahalafosan'ny akora fototra, indrindra ny kakao. Nisy moa ny fampanandraman-tsiro ireo vokatra samihafa naranty, ka efa afa-po ireo mpanjifa vao nividy izay nahaliana azy.
Fanohanana asa soa ho an’ny vehivavy
Misehatra amin'ny fampivoarana ny vehivavy mba hahaleo tena ny Wednesday Morning Group. Ny hetsika roa isan-taona, dia ny "Salon du chocolat et de la gourmandise" isaky ny Paska sy ny "Bazar de Noel" isaky ny Krismasy no tena fidiram-bolan'ny fikambanana. Ny vola rehetra azo tamin'ity androany ity izany dia entina hanaovana asa soa avokoa, ho an'ireo vehivavy mila tohana manokana.
Nampiavaka ity hetsika andiany faha-7 ity moa ny "Atelier", nampianarana ireo mpitsidika ny fanamboarana sokola. Ho an'ireo ankizy manokana, karazana fanaingoana mofomamy sy bisiky tamin'ny sokolà no notanterahina. Nisy ihany koa ny filatroana (défilé de mode), izay nanomezan-danja ny sokola tamin'ny alalan'ireo haingo teny amin'ireo mpilatro.
