Faritra Bongolava : Hisy fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025 ao Tsiroanomandidy
Fety iombonan'ny Malagasy tsivakivolo ny Taombaovao Malagasy. Matetika nefa dia ny eto Antananarivo sy ny manodidina ihany no tena maresaka raha ny mikasika izany fankalazana izany. Amin'ity taona 2025 ity, hifety noho ny Taombaovao Malagasy ny mponin'ny faritra Bongolava.
Haharitra roa andro ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy Fidiovana 2025 ao amin'ny Faritra Bongolava. "Ny Kolontsain'ny fitoniana, antoky ny fahavelomana" no lohahevitra tokana itondrana ny fankalazana manerana ny Nosy.
Fitsenana ny taona vaovao
Ny sabotsy 29 marsa, faran'ny taona, ny hanombohana ny lanonana, amin'ny 12 ora atoandro. Hisy ny vakodrazana sy bapampa arahina seho isam-poko. Tanjona amin'izany ny fampahafantarana fomba Malagasy maro. Ny takariva, ho raisina ny Afo tsy maty. Ho zaraina manerana ny tanana izany afo izany, amin'ny alalan'ny diabe. Ho faranana amin'ny totorebika izany.
Fiaraha-misantatra ny taona vaovao
Ny alahady 30 marsa, andron'ny Taombaovao Malagasy, amin'ny 5 maraina ny Famohamandry. Samy manatanteraka korana isan-tokantrano kosa ny rehetra. Tsy manakana ny iray tanana sy ny mpinamana hiombona hiara-hitotorebika. Efa maromaro ireo fikambanana mikasa hanatanteraka hetsika, sady maro rahateo ireo mpandraharaha mivarotra fitafy sy haingo manokana ho an'ny Taombaovao Malagasy efa herinandro vitsy izay.
Ny fihinanana omby no tena amporisihana amin'io andro io, satria biby manankasina manerana an'i Madagasikara izany. Fotoana ihany koa ny Taombaovao Malagasy anehoana ny fomba amam-panao sy ny fitafy mampiavaka ny faritra.