Faritra Diana : Afaka manondraka tanimbary hatramin’ny 635 Ha ny lakandrano Stella
Efa amperin’asa ankehitriny ny lakandrano Stella izay hita ao Ambinanitelo ao amin’ny faritra Diana. Manampy betsaka ny vondrona mpamboly sy mpamokatra ao an-toerana ny fisian’io fotodrafitrasa io. Manondraka tanimbary hatramin’ny 635 Ha izy io, izay avy amin’ny tetikasa AFAFI Nord.
Nihatsara ny vokatra
Isan’ny tombony lehibe indrindra azon’ireo mpamboly tamin’ny fisian’izy io dia ny fihatsaran’ny vokatra. Ireo tanimboly ireo moa no tena antom-piveloman’ireo mponina manodidina ny toerana ka manala ny fahasahiranana ihany koa ny lakandrano Stella. « Manondraka ny tanimbary amin’ny fotoana rehetra ny fisian’io lakandrano io.
Araka izany, afaka mamboly vary amin’ny fotoana rehetra izy ireo ka mampitombo ny vokatra ary manatsara ny famokarana ihany koa. “ Raha 650 kilao no azo tamin’ny taniko mirefy 1.5 Hektara. Nitombo hatramin’ny 1 040 izany taorian’ity fotodrafitarsa ity », hoy i Jaozara Jaoravo, mpisitraka ny tetikasa.
Ankoatra izay, nampianarina ny fampiasana ireo teknikam-pambolena nohatsaraina ireo mpamboly avy, amin’ny alalan’ny tetikasa AFAFI Nord, hatrany. Ampy koa moa ny rano ampiasaina. Izany dia hahafahan’ireo mpisitraka mamboly in-telo ao anatin’ny taona iray. « Tsy manimba ny tany io teknika io satria mizara fotoana telo mazava tsara ka hahafahan’ny tany maka aina kely, eny anelanelany », hoy ny fanazavana.
Fikojakojana manaraka fenitra
Mba hisian’ny faharetan’ny fotodrafitrasa, samy mandray anjara amin’ny fikojakojana ny lakandrano avokoa, ireo mpisitraka tsirairay. « Ny fikambanana mpampiasa ny rano ihany no mandray anjara amin’ny fikojakojana. Samy manefa 30 000 ariary isaky ny hektara isan-taona izy ireo ho an’ny fotodrafitrasa ary tsy maintsy mandray anjara amin’ny fikojakojana izay tanterahina indroa isan-taona », hoy kosa i Andiva Voavy, teknisianina any an-toerana.
Raha tsiahivina dia fandaharan’asa iarahan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Governemanta Malagasy ity AFAFI ity. Tanjon’ny roa tonta amin’izany ny hampandroso ny tontolo ambany vohitra. Ankoatra ny fotodrafitrasa dia manome fampiofanana momba ny teknikam-pambolena sy fiompiana vaovao izy ireo. Manampy amin’ny sehatry ny fahadiovana ihany koa, ary manarina sy manamboatra fotodrafitrasa maro.