• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fijery Hafa Sofia: Maherin’ny 5 000 ireo nisoratra anarana, mahazo vahana ny manodidina ny fandraisam-bahiny

24/03/2025 11:35 © Moov

Nitohy tao amin’ny faritra Sofia indray ny hetsika Fijery Hafa, ny faran’ny herinandro teo. Tonga tany an-toerana nanokatra izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa, Marie Marcelline Rasoloarisoa. Miisa 5 279 ireo tonga nisoratra anarana tamin’izany ; nahitana tanora sy olon-dehibe, lehilahy sy vehivavy. Natao indrindra hanampiana azy ireo moa ny hetsika.

Mahaliana kokoa ny mikasika ny trano fandraisam-bahiny

Isan’ny faritra iray manana ny mpampiavaka azy ity faritra Sofia ity. Maro ny hetsika azo tanterahina kanefa tsy misy manao na tsy misy mitrandraka. Izany ihany koa no anton’ity hetsika ity. Hanomezana fahafahana ireo izay liana hanana asa sy hitrandraka ny misy eo an-toerana. Tao anatin’izany dia maro ireo fampiofanana nisoratan’ireo handray anjara anarana. Nibahan-toerana kosa ny mikasika ny fandraisam-bahiny, indrindra ny fampiofanana mikasika ny mofomamy sy ny fahandroana sakafo. Hatramin’ny 1 002 ireo nisoratra anarana momba izany.
Ankoatra izany, miisa 452 ireo hiofana mikasika ny fiompiana trondro. Miisa 153 ireo hanamboatra biriky « parpaing ». Momba ny zaitra miisa 875 ary miisa 410 ireo te hahay hanamboatra labozia. Etsy ankilany moa dia nisy ihany koa ireo liana hiompy akoho voafantina, miisa 658 izy ireo. Miisa 738 ireo te hahay momba ny informatika ary 478 ireo te hahay hikirakira fiarakodia. Miisa 513 kosa ireo mpandray anjara te hahay hanangana orinasa.

Natao ho an’ny rehetra ny fampiofanana

Tsy hanavahana taona ny fandraisana anjara amin’ny hetsika fijery hafa, raha ny fanazavan’ny Minisitra. Tsy eo amin’ny resaka taona irery ihany izany fa na eo amin’ny fari-pahaizana ihany koa. « Ity hetsika ity dia natao ho an'ny olona rehetra, na dia ireo nahavita fianarana aza. Afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny rehetra », hoy hatrany ny tenany. Manan-karena ihany koa ny faritra Sofia, ka mila fanampiana sy tosika hanampy amin'ny fampivelarana ny maha-olona. Notsipihany fa ilaina ny fanohanana sy ny fampivoarana ny talentan'ny vahoaka, izay afaka manampy amin'ny fanaovana asa velontena sy mandray anjara amin'ny fampandrosoana. Izany no antom-pisian’ity hetsika ity.

Lire la suite

Articles Similaires