• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Progrès
Image
Fahalalana Ankapobeny

Tian’ny moka kokoa noho ny olona hafa : fantaro ireo mety ho antony

21/03/2025 10:48 © Moov.Mg

Misy amintsika no mahatsikaritra hoe tian’ny moka kokoa raha oharina amin’ny olona hafa. Izany hoe rehefa samy miaraka amin’ny toerana iray dia isika ihany no voakaikitry ny moka fa ny sasany tsia. Fa inona tokoa àry ny antony mahatonga ny olona sasany mahasarika ny moka kokoa ?

Tian’ny moka kokoa noho ny olona hafa : miankina amin’ny « groupe sanguin »

Tsy mitovy ny « groupes sanguins » rehetra manoloana ny moka. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo mpikaroka ao amin’ny « Institut Smithsonian aux États-Unis » dia voalaza fa mampitombo ny « risques » hahavoakaikitry ny moka ny « groupe sanguin » ny olona iray. Ireo anatin’ny vondron-drà O sy A no tian’ny moka kokoa. Ireto farany tokoa mantsy dia afaka mamantatra ireo « signaux » simika alefan’ny hoditra. Tsy mitovy ireo « signaux » ireo eo amin’ny vondron-drà tsirairay.

Ny lehibe no tian’ny moka kokoa raha oharina amin’ny ankizy

Vitsy no mahafantatra sy mahatsikaritra hoe ny lehibe no voakaikitry ny moka kokoa noho ny ankizy nefa dia tena marina izany. Noho ny lehibe mamoaka « gaz carbonique » na « CO2 » betsaka kokoa rehefa miaina no anton’izany. Manintona ny moka tokoa mantsy ny « gaz carbonique » ka izay no antony hitiavan’izy ireo ny lehibe. Voakasik’izany ihany koa ny bevohoka noho izy ireny mamoaka io « gaz » io avo roa eny noho ny olona sasany ka mahatonga azy tena mahasarika ny moka.

Hafanan’ny vatana, akanjo, labiera : samy misy idirany avokoa

Mety mahasarika ny moka ihany koa ny hafanan’ny vatana eo amin’ny olona iray. Rehefa avy nanao fanatanjahantena, ohatra, dia mafana kokoa ny hoditra ka manintona ny moka. Manosika azy ireny ho any amin’ny faritra mafana be ny « instinct » an’izy ireny. Ankoatra izay dia misarika ny moka ihany koa ny lokon’ny akanjo anaovana. Ireo loko mafana/ matroka, toy ny mena, dia manintona azy ireny kokoa noho ny fotsy na ny « beige ». Misy ihany koa ireo voka-pikarohana milaza fa ny fisotroana labiera dia manintona ny moka noho ity zava-pisotro ity manova ny fofon’ny hoditra.

Ahoana ny atao hiadiana amin’ny kaikitry ny moka ?

Tsy vitan’ny mangidihidy ny kaikitry ny moka fa mety hitondra otrik'aretina, toy ny tazo, ihany koa. Mba hiadiana sy hiarovan-tena amin’ny moka dia misy ihany ireo fomba manampy azo atao :
-Manao akanjo mazava sy manarona tsara ny tongotra sy ny tanana ;
-Ferana ny fisotroana toaka, indrindra amin’ny alina ;
-Mampiasa ody moka, vokatra natoraly raha azo atao ;
-Mampiasa « moustiquaire » na « diffuseurs à base d’huile essentielles » rehefa matory ;
-Mamboly « basilic » na solila eo akaikin’ny varavarankely. Zava-maniry mampitsoaka ny moka mantsy izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires