• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Rovan'Ambohidrabiby : Vohitra masina faha-3 ao amin'ny Fanjakan'Imerina

16/03/2025 17:45 © Moov

Aorian'ny eny Ambohimanga sy Analamanga (Manjakamiadana), ny eny Ambohidrabiby no vohitra masin'ny Fanjakan'Imerina. Vohitra fahatelo izany izy io. Voalaza kosa nefa fa renivohitra voalohan'ny Fanjakan'Imerina i Ambohidrabiby.

"Vohitr'i Rabiby" no iantsoana ilay toerana avon'Andriana ao amin'ny faritra avaratra andrefan'Antananarivo, dia Ankotrokotroka. Amin'iny lalana mankany Talata Volonondry iny no misy ny Rovan'Ambohidrabiby.

Ny fanjakana tao Ambohidrabiby

Ara-tantara, ilay Mpanjaka antsoina hoe Rabiby, raiben-dRalambo avy amin'ny reniny, no nanjaka tao Ambohidrabiby. "Habib" no tena anaran'io Mpanjaka io, izay teratany arabo. Tamin'izany vanimpotoana izany mantsy, maro ireo zanak'andriana sy fianakavian'ny mpanjaka Jiosy amin'ny faritr'i Arabia no nanaraka ny sisiny antsinanan'i Afrika. Heverina fa i Habib izany dia nihazo ny Nosy Madagasikara. Voalaza fa manam-pahaizana manokana ny fanandroana io Mpanjaka io, ka izany fanisan'andro izany no mampalaza an'Ambohidrabiby amin'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ny Alahamady no nataony volana voalohany amin'ny taona sy renimbitana, ary nataony amin'ny zoro avaratra antsinanana izany vintana izany. Ny fijerena ny volana sy ny kintana moa no nentin-dRabiby nijery andro.
Nanambady zanaka vazimba avy ao Anjozorobe, Ramaitsoakanjo, ny tenany. Tao amin'io toerana io no nanomanany ny tetik'ady rehetra nahazoana ny vohitr'Ankotrokotroka. Nialoha ny nidirana tao dia nanao "joro" teo ambany avaratra antsinanan'ilay vohitra izy. Nandevina lefompohy volamena miisa 8 ny tenany, niaraka tamin'ny vatomazava. Nitsoaka mora foana avy eo ireo vazimba nonina tao amin'ilay vohitra. Tamin'ny taonjato faha-16, izany hoe ny taona 1575 hatramin'ny 1610 moa no nanjakan-dRabiby tao Ambohidrabiby.

Ny Rovan'Ambohidrabiby

I Randapavola (Imaintsoanala), zanakavavin' ny mpanjaka Rabiby, no renin-dRalambo, Mpanjaka teraka Alahamady. Nanjaka teny Alasora kosa ny Rainy, dia tsy iza fa i Andriamanelo.
Tsy niteraka lahy i Rabiby sy Ramaintsoakanjo ka i Ralambo izany no "zaza miverina" mpandova ny fanjakana. Nandà ny handray ny fanjakana rahateo i Andrianamboninolona, zanak'i Rabefaravolamanjaka. Ny taona 1575-1610 no nanjaka tao Ambohidrabiby i Ralambo, ary ao ihany koa ny fasana nanafenana azy.
Ahitana lapa miisa roa ao, ka ilay miloko mainty no lapan-dRabiby. Tsy azo idiran'ny mpitsidika rehetra ao, satria misy fombafomba atao mialoha raha te hiditra ao. Ao ihany koa no itehirizana ny Afo tsy Maty, izay ampirehetina eo ivelany isaky ny Taombaovao Malagasy. Ny lapa faharoa kosa dia an-dRalambo, izay efa navadika ho tranombakoka (Musée). Marobe ny sary ao an-toerana, izay natao tamin'ny alalan'ny lovantsofina re mikasika ireo Mpanjaka nifandimby.
Ny eny amin'ny Kianja Masina kosa dia ahitana ny Fasana fitomiandalana sy ny toerana fanaovana sorona (indrindra famonoana omby). Eo amin'io toerana io izany no solona "Doany" fa tsy toeran-kafa akory. Miafina ao amin'ireo fasana ireo i Rabiby sy ny vadiny, i Ralambo sy ny vadiny roa ary i Rasendrasoa (vadin'Andrianampoinimerina) sy ny taranany.

Lire la suite

Articles Similaires