Koban'i Talata Volonondry : Mila faharetana sy fahaizana manokana ny fahazoana ilay tsiro
Miavaka ilay tsiro hananan’io koban'i Talata Volonondry io. Tsy misy tsiambaratelo miafina anefa izany fa ny faharetana sy ny fahaizana manokana no mahatonga io tsirony io.
Maharitra maherin’ny 2 andro sy tapany ny fandrahoana azy
Tsy moramora ny fanaovana ireto karazana koba ireto. Ilay antsoin'ny maro amin'ny teny mahazatra hoe koba ravina na koba voanjo. Eo amin'ny fotoana fandrahoana azy kosa dia ilaina fahaiza-manao sy faharetana betsaka satria ela izy io vao masaka, mba hampivoaka tsara ilay tsiro. Maharitra hatramin'ny 2 andro sy tapany na telo andro izy vao masaka. Ao anatin'izany dia mila jerena matetika ny rano sy ny afo. Tsy avela ho lany ny rano mba tsy ho may ka hangidy ny ao anatiny. Etsy ankilany dia tsy avela ho faty ny afo mba ho masaka daholo ny fangaro rehetra.
" Mandany kitay betsaka mihitsy ny mahandro azy ity. Ratsan-kazo aloha ny ampiasaina voalohany mandra-pangotraka azy ary mampiasa kitay vodihazo amin'izay, mandritra ny ora rehetra ambiny", hoy i Yves Randrianantenaina, mpanamboatra koba sady mpivarotra ao Talata Volonondry. Ankoatra izany dia mahatratra hatramin'ny 280 litatra ny rano ampiasaina vao mahamasaka ireo koba iray vilany. Izany rehetra izany anefa tsy vita indray mandeha fa mila fanarahamaso avokoa ny fahalaniany. Miasa hatrany araka izany izy ireo na andro na alina, mijery sy mizaha ny fizotry ny fahamasahana. " Mila fazotoana sy fandavan-tena mihitsy ity asa ity raha te hahazo vokatra tsara", hoy hatrany izy ireo.

Voanjo sy siramamy no ivon'ny akora hampiasaina
Isan'ny manamora ny asa kosa anefa ny fahazoana ny akora rehetra eto an-toerana ihany. Isan'ny tsy maintsy ilaina ao anatin'izany ny ravin'akondro, ravina longoza, koba vary, voanjo ary ny siramamy. Ireto roa farany ireto no tena mitondra ny tsiro sy mampafilotra azy. Raha koba mirefy iray metatra izao dia mila voanjo 6 na 7 kilao efa voatoto eo ho eo, ary hafangaro siramamy 5 na 5,5kg ihany koa. Mila mahay mikajy ny fampiasana ireo akora ireo amin'ny ankapobeny raha te hahazo koba matsiro, hoy ireo mpanamboatra.
Toy izany ihany koa ny vilany izay ampiasaina dia ireny barika lehibe ireny no vakiana eo ampovoany ka ireny no hataingina eo ambony afo. Mahazaka koba miisa 10 ny vilany iray.
Raha ho an'ireo koba eo amin'ity tanàna ity dia efa lova avy amin'ireo Ray aman-dReny ny fahaizana mikarakara azy ka tsy mampiova ny tsiro izay ren'ireo mpankafy. Misy koa anefa ny fikarohana samihafa natao hampivoarana ny teknika sy ny fitaovana izay hampiasaina.

Afaka ahitana tsiro samihafa
Raha voanjo sy siramamy no tsiro nahafantarana ny koba hatramin'izay dia efa mivoatra izany amin'izao fotoana izao. Efa azo atao ny mangataka fanampin-tsiro rehefa mampanamboatra. Ao anatin'izany ny tsiro voanio (coco) sy ny hanitra lavanila izay samy be mpangataka. Ireo mpikarakara lanonana na ireo hanao fetim-pianakaviana no tena mangataka ireo tsiro manokana ireo, hoy ny fanazavan'i Yves, hatrany. Mijanona ao anatiny hatrany kosa ny tsiro nahafantarana ny koba hatramin'izay na dia eo aza izany.
Raha te hitahiry kosa dia azo atao ny mametraka izany amin'ny toerana maina sy madio fotsiny ka maharitra herinandro eo ho eo izy. Raha hatao anaty vata fampangatsiahana kosa dia eo ho eo amin'ny 2 herinandro eo ihany.
Marihina fa jifaina manomboka amin'ny 55 000 ariary ny koba iray lavalava iny. Arakaraka ny hadiriny kosa ny mahalafo azy ka misy tonga hatramin'ny 65 000 ariary ireo lehibe indrindra. Raha ho an'ny mpandeha amin'iny RN3 iny dia efa zary fahazarana izany hividy koba eny Talata izany. Misy aza ireo avy aty Antananarivo dia handeha hividy koba fotsiny no handehanany any amin'io tanàna io. Ankoatra izay moa dia malaza amin'ny sosisy ihany koa i Talata Volonondry.
