• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Famoronana asa : Mifantoka amin'ny asa tanana sy ny fanodinana sakafo ny ankabeazan'ireo orinasa madinika

25/02/2025 12:25 © Moov

Tsy vitsy ny Malagasy no misehatra amin'ny fandraharahana, izay sady loharanombola maharitra no fanomezana asa ny manodidina. Ny asa tanana sy ny fanodinana sakafo no tena ifantohan'ny mpandraharaha maro.

Asa tanana ekolojika

Samy mikaroka izay mampiavaka azy ny mpandraharaha tsirairay mba hanintonana ireo mpanjifa. Maro ireo mifantoka amin'ny asa tanana ekolojika, mba hanolorana vokatra manintona ny maso sady miaro ny tontolo iainana. Miainga amin'ny fisafidianana ny akora ampiasaina izany. Anisan'ireo asa tanana tadiavin'ny tsena anatiny sy ivelany ireo amboarina amin'ny alalan'ny akora efa avy nampiasaina. "Recyclage" na fanangonana sy fanamboarana fako izany no atao. Misy ohatra ireo manamboatra kilalao, fitoeran'entana, poketra, kiraro na kokakoja lamaody isan-karazany amin'ny alalan'ny plastika simba, sarona tavoahangy na fonin-tsakafo.
Samy manana ny mpividy kendreny moa ireo mpandraharaha, ka misy mamatsy ny tsena anatiny, ary misy mahazo tsena any ivelany mihitsy. Mahavelona tsara izany asa izany rehefa misy rafitra sy vina mazava eo anivon'ilay orinasakely.

Fanodinana sakafo

Kaonfitira, voankazo maina, vatomamy bio, ranomboankazo, saosy, fromazy, ... Marobe ireo vokatra ara-tsakafo vita eto Madagasikara. Ny legioma, voankazo sy ronono no tena akora fototra ifantohan'ireo mpanodina sakafo. Tsy adino ny kafe, ny tantely sy ny episy isan-karazany. Ny tanjona amin'izany dia ny fanomezana vokatra miavaka sy azo tehirizina ela kokoa, mba ho antoky ny fisitrahana sakafo ara-pahasalamana isan-karazany. Tsy adino ny fanamorana ny fihinanana sakafo sy ny fanomezana tsiro miavaka ho an'ny rehetra. Misy ny fiaraha-miasa amin'ireo mpamboly sy mpiompy eny ifotony hahazoana ireo vokatra tsara kalitao indrindra.
Samy miezaka manaraka fenitra maromaro ireo mpamokatra, indrindra ny ara-tsiantifika, mba hitandrovana ny fahasalaman'ny mpanjifa. Manintona kokoa ny mpividy ireo vokatra tsy ampiasana akora simika na dia azo tahirizina ela aza.
Mila stratejia mahomby sy mihavao hatrany ny fisafidianana ireo vokatra atolotra sy ny fivarotana izany. Tsy vitsy ireo orinasakely Malagasy no efa mamatsy entana eny amin'ireo trano fisakafoanana sy tranombarotra lehibe manerana an'i Madagasikara.

Fanohanana sy famatsiam-bola

Sakana amin'ny fandraharahana ny fananana vola mivaingana hanombohana ny tetikasa. Tsy maintsy misy mantsy ny fandaniana goavana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitaovana sy ny akora fototra ilaina ary ny fikarakarana ny endrik'ireo vokatra. Misy ihany koa ny vola ilaina amin'ny fampahafantarana ny orinasa sy ireo vokatra. Tsy adino ny toro isan-karazany tsara ho fantatra amin'ny fikirakirana sy famarotana ireo vokatra.
Antoka hahazoana tombony ny fidirana amina fikambanan'ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany. Misy mantsy ireo mpikambana efa lasa lavitra ka mizara toro mahaliana sady manoro ireo dingana tokony arahina ara-panjakana. Manamora ny fahazoana mandray anjara amina hetsika ara-barotra isan-karazany ihany koa ny maha-mpikambana amina vondrona mpandraharaha. Azo atao tsara moa ny mangataka fampindramam-bola eny anivon'ny Banky, indrindra moa raha manana "business plan" mazava tsara.

Lire la suite

Articles Similaires