Fanolanana zazakely teny Ambohipo : Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza
Zazavavikely iray vao 6 taona no nindaosin’ny fahafatesana, noho ny herisetra ara-nofo nahazo azy. Tsy iza fa ny raikeliny ihany no nahavanona izany fanolanana zaza izany.
Nampiharan’ilay raikeliny habibiana tanteraka ilay zazavavikely rehefa niasa alina ny reniny. Araka ny nambaran’ilay renibeny nampandro ny razana, tataka hatrany amin’ny lavaka fanaovany maloto ny fivavian’ilay zaza. Nisy niongotra ihany koa ny volony. Nivilana be ihany koa ny vavan’ilay zaza, toy ny sanatria hoe nampidiran’ilay raikeliny ny filahiany nandritra ilay fanolanana zaza, hoy hatrany ilay renibeny.
Fanolanana zaza noho ny zava-mahadomelina
Tsy navelan’ilay lehilahy nifandray tamin’ny havany sy ny namany mihitsy izy mianaka. Na dia ny vola fanampiana atolotr’ilay tena rain-jaza aza dia tsy azon’ilay ramatoa noraisina. Nisy fotoana nefa nandalo ny renin’ilay ramatoa ka nahatsikaritra fa misy zavatra toa doran’ilay vinantony dia fohany avy eo. Tsy inona izany fa zava-mahadomelina mahery vaika. Taorian’ny tranga nahafatesan’ilay zazavavikely dia hitan’ny fianakaviana avokoa ireo fitaovana fikarakaran’ilay mpanolana ny rongony raisiny.
Fitsarana ilay raharaha fanolanana zaza
Amin’ny 25 marsa ho avy izao no voalaza fa hiakaran’ny nahavanon-doza fitsarana. Mbola fitazomana vonjimaika mantsy izao atao azy izao. Mangataka ny fianakaviana mba hampiharana ilay lalana mikasika ny famotsirana (castration). Mazava avokoa ireo porofo rehetra handetehana ilay raim-pianakaviana, na mikasika ny fanolanana zaza, na ny fandraisana zava-mahadomelina
Fisorohana ny fanolanana zaza
Mitaky fandraisana andraikitry ny tsirairay ny famongorana ireo mpanao herisetra. Mila arovana mafy ireo zaza tsy ampy taona, na lahy na vavy, ka tsy avela irery amin’olona mampiahiahy. Azo atao tsara ny mitoroka avy hatrany raha vao misy fihetsika miaro herisetra ara-batana na fitenenana miaro herisetra ara-tsaina ataon’olona akaiky. Marihana fa azo torohana ihany koa ny fandraisana zava-mahadomelina, satria na ho ela na ho aingana, hitondra vokadratsy ho an’ilay mpidoroka sy ny manodidina azy izany. Entanina ihany koa ny olom-pirenena tsirairay mba hampandre ny mpitandro ny filaminana raha mahatsikaritra tranga mampiahiahy any an-tranon’ny manodidina, indrindra raha misy fanolanana zaza, satria mety hamonjy aina izany.