Vola rovitra na simba : Azo atakalo tsara !
Maimaimpoana ny fanoloana vola rovitra na simba, raha ireo vola manankery no resaka.
Manantona ny Banky Foiben'i Madagasikara
Tsy mihena akory ny mari-bola rehefa atakalo, noho ny faharovitana na fahasimbana samihafa. Raha 10 000 ariary ilay vola tsy raisin'ny mpivarotra intsony, 10 000 ariary ihany no takalony fa tsy latsaka akory. Raha mbola hita tsara ny nomeraon'ilay vola, raisin'ny Banky Foiben'i Madagasikara eny Antaninarenina izany. Mila mitondra karapanondro moa ny olom-pirenena te hanakalo ireo vola rovitra na simba. Misokatra hatrany ny BFM, ny alatsinainy hatramin'ny alakamisy, amin'ny 8 hatramin'ny 4 ora, ary ny zoma, amin'ny 7ora sy sasany hatramin'ny 4 ora.
Maro ny antony mety manimba ny vola : hamandoana, fahamaizana, tsy fitandremana, sns. Miha-simba ihany koa ny vola rehefa maharitra ela loatra sady mifindrafindra tanana ny fampiasana azy. Entanina ny rehetra mba hikajy ny vola, ka tsy hamoriporitra na hanapaingotra izany. Tena ilaina ireny "portefeuille" ireny, na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy. Raha tsy zatra na tsy tia mampiasa izany fitoeram-bola zany, azo atao tsara ny manatsotra ny vola anaty cahier na agenda.
Atao ahoana ireo vola tsy miasa intsony ?
Rehefa miova ny vola ampiasaina dia manome fotoana ny Banky Foiben'i Madagasikara ny amin'ny hahafahana manakalo azy ireny. Rehefa dila ny fe-potoana dia misy ihany ireo mpikirakira vola taloha mandray ny vola tsy miasa intsony. Mety mihena nefa ny vola taloha rehefa atakalo. Arakaraka ny fifanarahan'ny mpivarotra sy ny mpividy izany.
Tsara ny manamarika fa azon'ny rehetra atao ny mitahiry vola, na ny manankery ankehitriny na ireo taloha. Mirakitra tantara mantsy ny vola, ka heverina fa tena harena tokoa ny fananana karazany samihafa.