• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifaninanana « Backyard Ultra » : Hazakazaka lavitr’ezaka ho fanohanana ny ONG Ketsa

07/02/2025 11:47 © Moov.Mg

Mikarakara hetsika ara-panatanjahantena antsoina hoe : « Backyard Ultra » ny ONG Ketsa, ho fanohanana ireo ankizy beaziny. Sambany eto Madagasikara no hanatanterahana ity karazana hala-hazakazaka ity, raha toa ka efa fanao any amin’ny firenena-kafa izany.

Mpandresy tokana

Lehilahy tera-tany amerikanina antsoina hoe : Lazarus Lake no namorona ny « Backyard Ultra ». Hazakazaka lavitr’ezaka, izay mety haharitra andro maromaro izy ity, ka mila manala hazakazaka amin’ny halavirana mirefy maherin’ny 6km ny mpandray anjara tsirairay, ao anatin’ny fe-potoana latsaky ny adin’ny iray. Miaraka miainga avokoa ny mpifaninana rehetra eny am-piandoahana. Ireo mpifaninana nahavita ny halavirana 6km mahery tao anatin’ny ora iray latsaka dia afaka mamerina ilay « boucle » indray, ka misy fiaingana isaky ny adin’ny iray. Tanjona ny tsy hisian’ny mpihazakazaka afa-tsy tokana sisa any amin’ny farany, ary izy no mpandresin’ny fifaninanana.

Ho an’i Madagasikara, araka ny fanazavan’i Njaka Tsirofo Rasoloarison, talen’ny hazakazaka « Backyard Ultra » by ONG Ketsa, dia mirefy 6,704 km ny halaviran’ny « boucle » hanatanterahana ny hazakazaka, miainga eo amin’ny ivon-toeran’ny ONG Ketsa eny Vontovorona ary mifarana eo ihany. Afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana daholo ny olona rehetra 18 taona no ho mihoatra. Mila mitondra fanamarinam-pahasalamana avy amin’ny dokotera kosa, amin’ny andron’ny fifaninanana, izay hanomboka ny 14 febroary 2025 amin’ny 3 ora tolakandro ary tombanana hifarana ny 16 febroary 2025. Tombana ihany io fiafaran’ny fifaninanana io, satria miankina amin’ny tanjaky ny mpandray anjara. Raha mbola mihoatra ny olona tokana no manatanteraka ny hazakazaka, dia mbola mitohy hatrany ny lalao.

Mamolavola tanora

Ankoatra ny maha-lalao ara-panatanjahantena azy dia nokarakarain’ny ONG Ketsa mba ho fitadiavam-bola, hanohanana ny asa sahanin’izy ireo ity fifaninanana hazakazaka lavitr’ezaka ity. Ny ONG Ketsa moa dia niorina tamin’ny taolna 1997, izany hoe : 29 taona nanaovana asa sosialy, araka ny nambaran’i Hasina Ramarolahy, tale mpanatanteraky ny fikambanana. Tanjon’ny fikambanana ny hamolavola tanora vanona ho olon-dehibe tomponandraikitra any aoriana. Asa tanterahiny amin’izany ny fanohanana ny fanabeazana ireo ankizy, amin’ny alalan’ny fiantohana ny saram-pianarana, ohatra, amin’ny fitadiavana orinasa mpiara-miasa hanatanterahan’ireo tanora fizarana asa. Eo ihany koa ny fampisakafoanana an-tsekoly sy ny tolotra ara-pahasalamana. Efa maherin’ny 300 isa ny tanora noraisin’ny ONG an-tanana, nanomboka tamin’ny ambaratonga fototra ka mandra-pananan’izy ireo asa ara-dalàna. Fa amin’izao taona 2025 izao dia miisa 207 ireo ankizy, avy amin’ny fianakaviana marefo ara-pivelomana, ampian’ny ONG Ketsa.

Misy mpiara-miombon’antoka maro manohana ny ONG Ketsa amin’ny asa sahaniny andavanandro sy amin’ity fifaninanana hazakazaka « Backyard Ultra » ity. Isan’izany ny Yas Madagascar, izay hanolotra jiro avy amin’ny Mbalik, hanazava ny lalana handehanan’ireo mpaihazakazaka, ary hanome loka « kit Mbalik » ihany koa, ho an’ny mpandresy. « Mitovy ny tanjona : hiara-misalahy ho an'ny zaza malagasy », hoy ny fanazavan’i Zo Ny Riantsoa Rabefitia, tomponandraikitra momba ny andraikitra sosialy raisin'ny orinasa avy eo anivon’ity orinasa ity.

Misokatra ho an’ireo izay liana ny fisoratana anarana ho an’ny « Backyard Ultra » by ONG Ketsa, amin’ny alalan’ny rohy izay hita ao anatin’ny pejy Facebook-n’ny fikambanana. Mikatona ny fandraisana ireo mpifaninana rehefa feno 200 ny isan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires