• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 27 janoary hatramin'ny 2 febroary 2025

03/02/2025 00:08 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 27 janoary hatramin'ny alatsinainy 2 febroary.

BAREA # Nahazo mpanazatra vaovao

I Corentin Da Silva Martins no mpanazatra vaovaon'ny ekipam-pirenena Barea A, misolo ny Coach Romuald Rakotondrabe. Ny alakamisy 30 janoary lasa teo no nandraisana azy tamin'ny fomba ofisialy. Herintaona moa ny fifanarahan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra Malagasy aminy. Azo heverina araka izany fa hanome izay tsara indrindra avy aminy izy mba hahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena Malagasy ao anatin'izay fotoana voafetra izay.
Efa mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay moa i Corentin Martins, no sady mpanazatra ny ekipam-pirenen'i Mauritanie.

Ivato # Sarona indray ny volamena 1,7kg saika naondrana an-tsokosoko

Fanintelony hatramin'ny volana desambra no nahatratrarana volamena saika naondrana an-tsokodoko tany Dubai, teny amin'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato. Tamin'iny herinandro lasa iny, vongam-bolamena iray milanja 1,780 kg no no tratra tamina mpandeha saika hiondrana tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 852.
Efa nisy nametraka mialoha tany anaty koveta fivoahana (toilettes)-n’ny salle d’embarquement izany volamena izany no nalain’ny olona hitondra azy. Tsikaritry ny mpiasan’ny Fadintseranana dieny mialoha ny moa fihetsik’ilay mpandeha ka vao nivaoka ny fivoahana izy dia tratra avy hatrany.

Ady amin'ny kolikoly # Paikady Nasionaly iadiana amin’ny Kolikoly

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany ny Paikady Nasionaly iadiana amin’ny Kolikoly na ny Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption (SNLCC) 2025-2030.
Tanjona stratejika telo no mamaritra ity paikady 2025-2030 ity: Ho foana ny tsimatimanota; Ny fomba fiasa mampandray andraikitra ny rehetra, ny fandrindrana izany ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly; Ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana. Anisan'ireo andry telo lehibe mamaritra ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana mantsy ny fanatsaràna ny Asam-panjakana ary ao anatin'izany indrindra ny ady amin’ny kolikoly.

Fanjifana # 750 ariary ny kapoakan'ny Vary Mora

Amidy 750 ariary ny kapoakan'ny vary nafarana, izany hoe 2 600 ariary ny kilao. Tokony ho 1 150 ariary kosa ny kapoakan'ny vary avy eto an-toerana raha lafo indrindra, araka ny fampitam-baovao taorian'ny Filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia 29 janoary lasa teo.
Vary 100 000 taonina no fantatra fa hanampy ireo efa azo jifaina eny amin’ny mpaninjara, amin'ity fiandohan'ny volana febroary ity. Milanja 22 500 taonina mantsy ny vary ao amin’ny fanatobian’entana ao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina ankehitriny raha manodidina ny 90 000 taonina kosa ny heverina ho tonga. Haret izany dia ampy tsara iatrehana izao maitso ahitra izao ny tahirim-bary.

Fanjifana # Fitsirihana ireo fitaovam-pandanjana eny an-tsena

Mampaneno lakolosy fanairana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny hanajana ny lanjan’ny entana amidy eny an-tsena. “Tsikaritra tato ho ato ny fitarainan’ireo mpanjifa sy ireo mpaninjara noho ireo entana tsy ampy lanja ary indrindra fa ireo entana ilaina amin’ny andavanandro toy ny sakafo”, hoy ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eo anivon’ny MIC, RAVELONARIVO Ando. Tsy maintsy ampidirina anaty kajy famaritana ny tombony isan’ambaratongany mantsy izany ka miteraka fatiantoka lehibe tokoa.
Etsy ankilany dia entanina ihany koa ireo mpisehatra rehetra ara-barotra sy ny mpanjifa ho mailo ka hanara-maso ny lanja eo am-pividianana. Hisy ny hetsika izay ho tanterahin’ny Minisitera misahana ny varotra mahakasika io tsy fahampian-danja io ary mampitandrina ny rehetra hanara-dalàna mba ho tombotsoan’ny daholobe.

Voafonja # Vehivavy 156 no nisitraka fampiofanana arak'asa

Vehivavy voafonja 156 isa tamin'ny fonja 4 (Antanimora, Antsiranana, Mananjary ary Manakara) no nisitraka fampiofanana, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy ny ONG Douleur Sans Frontières, nanomboka ny taona 2023.
Tsiahivina fa ity tetikasa ity dia natao hanomezana fanofanana ireo vehivavy voafonja an-dalam-pamaranana ny saziny ka hiverina indray eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny zaitra, fa indrindra ny fanamboarana "Serviette Hygiénique Lavable" sy ny rary no tolotra fanofanana nomeza azy.

Youthconnekt Africa Summit 2025 # Vonona handray ny fihaonambe i Madagasikara

Notanterahina ny 30 janoary lasa teo, tao amin'ny QG TANORA Ankorondrano ny fivoriana voalohany ho enti-manomana ny fihaonamben'ny tanora, Youthconnekt Africa Summit 2025, izay hatao eto Madagasikara.
Nivoitra tamin'ity fihaonana voalohany ity ny fampahafantarana ny lamina rehetra, ny vaomiera, ny sampan'asa isan-tsokajiny mba hahatomombana ny fikarakarana ny hetsika. Nohazavain'Atoa Ministra fa mamorona asa, hitondra lalambarotra vaovao ho an'ny tanora mpandraharaha, sns, ny fandraisana izany fihaonambe izany. Santatra am-bavarano ny notontosaina no tontosa, mariky ny fiaingan'ny hazakazaka lavareny hatramin'ny volana novambra hanatanterahana ny fivoriambe.

Food Ingredients Europe # Nandray anjara tany Allemagne i Madagasikara

Raha firenena 135 no nandray anjara tamin’ny Food Ingredients Europe, 1500 ireo orinasa nampiranty ny vokany, dia ny 9 tamin’ireo no avy eto Madagasikara. Ny Orinasa Havamad, SOFREX, APL Vanilla & Spices, Phael Flor Export, Jacarandas International, Pink Bay Madagascar, Madagascar Vanilla Export, MC Ingredients ary ny Pure Vanilla.
Nahitana fahombiazana ny hetsika ho an’i Madagasikara na dia voalohany aza isika no nandray anjara tamin’izany. Miisa 552 ireo nahazoana fifandraisana nampanantena ny hanjifa, ho an’ny ankamaroan’ireo orinasa misehatra amin’ny lavanila « bio ». Efa lafo avokoa ny vokatra ho an’ity taona ity noho iny hetsika iny.

MEDD # Olona miisa 19 no voarohirohy noho ny fikasana hanondrana sokatra

Raha tsiahivina dia lehilahy iray, tera-tany tanzanianina, no nahatratrarana sokatra miisa 800 avy any Morondrava, tao amin'ny trano nonenany tao Andovinjo Betamanga, fokontany Ambondrona, Kaominina Mahajanga, ny harivan'ny zoma 27 desambra 2024. Rehefa natao ny fikarohana dia olona 19 no voarohirohy, ka nisy tamin'izy ireo no mpanangona ny sokatra, ny mpitahiry ireo izay voaangona, ny mpanelanelana, ny mpitatitra, hatramin'ny kômandà an'ilay sambo haingam-pandeha saika hanondranana ireo sokatra. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo lehilahy 13 ary eny Antanimora kosa ireo vehivavy 6. Misy teratany kaomôrianina ny 3 amin'ireo tratra, araka ny fanazavan'ny minisitry ny MEDD.

UNESCO # Nandray anjara tamin'ny dinika rejionaly i Madagasikara

Nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny dinikasa rejionaly karakarain'ny UNESCO, momba ireo karazana fiarahamiasa sy fifanarahana vaovao mahakasika ny famerenena ireo vakoka afrikana, notanterahina any Addis Abeba, ny Conservateur eo anivon'ny Ofisin'ny Vohitra Ambohimanga, Elie Randriamanantena. Ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara tamin'ity dinikasa ity dia manamafy ny fahavononan'ny fitondrana ankehitriny hiroso lalindalina kokoa amin'ny fikajiana sy fiarovana ireo harembakoka. Isan'ny asa goavana efa imasoana ao anatin'izany ohatra ny firosoana amin'ny famerenana ny kabeson'ny Mpanjaka Toera sy ireo miaramila Sakalava niaradia taminy.

Antsohihy # Nahazo Ben'ny Tanàna vehivavy voalohany

Ramatoa Vanessa Justicia Harinomenjanahary (mpanakanto Vaney's Tsara Vintagña) no Ben'ny Tanàna vehivavy voalohany ao Antsohihy. Ny talata 28 Janoary lasa teo ny tenany no nandray ny fitantanana ny tanàna. Nisy araka izany ny lanonana famindram-pitantana teo aminy sy ny Ben'ny Tanàna teo aloha, Nasiry Ali.
"Hanohy ireo ezaka tsara efa vita teo aloha‚ hametraka fanamby mba Antsohihy maha-tehonina‚ Antsohihy madio‚ Antsohihy mandroso ny tenako‚ kanefa tsy vitako izaho irery izany fa mila fanohanana avy amintsika‚ ndeha atsika hifanome tanàna ary hitondra rivo-baovao hoan’ny tanàna Antsohihy"‚ hoy Vanessa Justicia.

Ambovombe Androy # Nahazo tohana ireo traboina noho ny Ranotrambo

Vary miisa 40 gony sy fanitso miisa 186 no natolotra ho an'ireo vahoaka Tao amin'ny kaominina Ambondro ny 31 janoary lasa teo. Nidina teny ifotony ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert, solotenan'ny fitondram-panjakana no sady mpiahy ny Faritra Androy, nanolotra ireo vonjy ranovaky ho azy ireo. Nisy ny fanentanana ny amin'ny tokony hitandremana hatrany manoloana ny tranga toy izao. Marihina mantsy fa tsy mpitranga matetika izy ity fa nohon'ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Faritra Anosy # Fihaonana tamin'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny vary

Manerana an'i Madagasikara ny fifehezana ny vidim-bary, mba hitsinjovana ny mpanjifa. Nihaona voalohany tamin’ireo mpandraharaha ao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro ireo manampahefana any an-toerana. Nibahan-toerana tamin’izany ny fitadiavana paik’ady hifehezana ny vidim-bary taorian’ireny toromariky ny Filoham-pirenena hampidinana ny vidim-bary ireny. Fotoana nahafahana nihaino koa ny sedra sy ny olana iainan'ireo mpandraharaha amin’ny fampidirana entana ao Taolagnaro, izay anisan’ny vavahadin'ny Faritra Anôsy sy Androy izany. Nisy ihany koa ny fivoriana tany amin'ny faritra Itasy sy Sofia.

Lire la suite

Articles Similaires