Fialan’i Etazonia amin’ny OMS : Hampitombo ny tahan’ny fahafatesana azo sorohina eto Madagasikara
Raha vao tafaverina indray teo amin’ny fitondrana ny filoha amerikanina Donald Trump, dia iray amin’ireo didim-panajakana an-jatony nosoniaviny ny fialan’i Etazonia ao anatin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny tany an-dalam-panadrosoana toa an’i Madagasikara izany fanapahan-kevitra izany.
Mihena ny vola ho an’ny vaksiny
Iray amin’ireo firenena maneran-tany miankina betsaka amin’ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika avy any ivelany i Madagasikara mba hampandehanana ny rafitra ara-pahasalamana. I Etazonia anefa no mpamatsy vola lehibe indrindra an’ny OMS, izay nandray anjara tamin’ny vola 1,2 miliara dolara, raha ho an’ny taona 2023. Araka izany, ny fialan’i Etazonia ao anatin’ity rafitry ny firenena Mikambana ity dia hampihena be ny loharanom-bolan’ny OMS, ka mety hisy fiantraikany ratsy amin’ireo tetikasa any amin’ireo firenena sahirana, toa an’i Madagasikara izany.
Fandaharanasa maro no mety ho voakasik’izany, toy ny fanaovam-baksiny amin’ny aretina tazomoka, izay vaksiny antenaintsika ho avy eto Madagasikara amin’ny taona 2026 na 2027. Eo ihany koa ny vaksiny miady amin’ny tetanosy, ny lefakozatra, na ihany koa ny kitrotro, izay mbola ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena no mamatsy ny ampahany betsaka amin’ny vola ividianana azy. Mety hihena ihany koa ny teti-bola hanampian’ny Firenena Mikambana antsika momba ireo karazana valanaretina, toy ny pesta sy ny COVID-19. Etsy an-daniny, misy ireo hetsika fisorohana toy ny fanentanana eny ifotony, izay ilàna vola, saingy mety tsy ho tontosa araka ireo paikady napetraky ny fitondram-panjakana izany, rehefa mihena ny vola azon’ny OMS entina mamatsy izany hetsika izany.
Rafitry ny fahasalamana
Firenena manana rafitra ara-pahasalamana isan’ny marefo i Madagasikara, ka mbola maro ireo ezaka tokony tanterahina ho fanamafisana izany. Miankina betsaka amin’ny fanampiana iraisam-pirenena anefa izany, toy ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ny fizarana fanafody sy fitaovam-pitsaboana ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Ny fihenan’ny famatsiam-bola amerikanina dia mety hampihena ny isan’ny mponina mahazo fandraisana an-tanana ara-pahasalamana fototra, indrindra ny any ambanivohitra. Etsy an-daniny, tsy ho ampy intsony ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ho maro ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB), tsy hisitraka fanampiana ara-pitaovana, izay tena ilaina mba hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.
Ady amin’ny tsifanjariantsakafo
Eo amin’ny lafiny fanjariantsakafo, iaraha-mahalala fa tsy ampy sakafo ny antsasa-manilan’ny zaza latsaky ny dimy taona eto Madagasikara. Mamatsy vola amin’ny ampahany betsaka ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo tanterahina eto amintsika ny OMS sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Rehefa manaisotra ny anjara fanampiany ao anatin’ny OMS i Etazonia, dia ahiana ny hampihena ny fanapariahana ireo fanampin-tsakafo ilain’ny zaza marefo. Etsy an-daniny, tsy ho voasahana ireo reny bevohoka sy reny vao teraka, nefa izany dia tena zava-dehibe amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza. Araka izany, raha mihena ny fanampiana ara-bola, dia mety hitombo ny tahan’ny fahafatesana azo sorohina eto Madagasikara.
Anisan’ireo firenena marefo indrindra i Madagasikara manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny rivodoza sy ny hain-tany. Ireo loza voajanahary ireo dia mampitombo ny olana ara-pahasalamana ary mitaky paikadymafonja izany, eo ambany fanohanan’ny OMS. Tsara anefa fa isan’ny didim-panjakana nosoniavin’i Donald Trump ihany koa ny fialan’i Etazonia amin’ny Fifanarahan’i Parisy, izay miompana amin’ny tontolo iainana.