• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mnp
Image
Vaovao

Doro ala tany Ranomafana : Nahatratra 122 ha ny velaran’ny toerana may

20/01/2025 12:15 © Moov.Mg

Efa tsy nahitana tebok’afo tena nisongadina intsony manerana an’i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao tamin’ny 15 janoary 2025, noho ny fisian’ny rotsak’orana nentin’ilay rivo-doza Dikeledi. Tany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara moa no tena nahitana trangan’afo betsaka raha ny antontam-baovao tamin’ny 12 janoary 2025. Isan’ny nitondra faisana ny tao Ranomafana Distrikan' Ifanadiana, Faritra Vatovavy.

Efa maty tanteraka ny afo

Nahatratra 122 ha ny velaran’ny toerana may tao Ranomafana sy ny manodidina, araka ny tatitra navoakan’ny Madagascar National Parks, izay mpitantana ny valanjavaboaharin’i Ranomafana, androany 20 janoary 2025. Mitsinjara amin’ny toerana efatra izany fahamaizana izany, ka nirefy ⁠53 ha tao Antanivinidy-Sahamalaotra, 11 ha tao Andranofady, samy kaominina ambanivohitra Androy ; ary toerana roa samy hafa nirefy 52 ha sy 6 ha tao Amboditanimena kaominina ambanivohitra Ambalakindresy.

Raha tsiahivina dia nandeha nidina tany Ranomafana, nijery ifotony ny zava-misy tany an-toerana mihitsy, ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, ny 9 janoary 2025. Manana ny tahirin-javaboahary isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara sy mahasintona mpizahatany maro isan-taona mantsy i Ranomafana. Olona maherin’ny 2000, noho izany, no indray nihetsika namono ny afo tany an-toerana. ⁠ ⁠Efa maty tanteraka ny tebok’afo rehetra ankehitriny. Efa nirosoana ihany koa ny famaritana ny sarin’ny toerana may, izay nampiasana « drone », ary isan’ny nahafahana nanao izao tatitra izao.

Fanarenana ny ala may

Ankoatra ireo mponina, ireo mpitondra eny ifotony, ireo mpitandro ny filaminana, dia isan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ny afo ihany koa ireo fikambanana sy mpisehatra ary mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Isan’izany ny ONG Pivot, ireo mpandraharaha ao Ranomafana, Kelilalina sy Ifanadiana ary ireo sampandraharaha tsy miankina, izay nanampy tamin’ny fitaterana ireo mpamono afo. Ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina kosa no nanolotra ny « drone », izay nanampy tamin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny afo sy ny fifehezana izany. Ankoatra izay dia napetraka ny Ivon-toeram-pibaikoana momba ny afo eny anivon'ny Faritra (CRCO), nandritra ny fitsidihan’ny Minisitra sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana, tany an-toerana. Ity rafitra ity no nandrindra ny asa rehetra notanterahina.

Paikady napetraka ny fanohizana ny fitsirihana ireo toerana mety mbola misy otrik’afo, izay iandraiketan’ny Madagascar National Parks, Valbio, sy CLP (komity ifotony miandraikitra ny valanjavaboahary). Ny mpitandro ny filaminana kosa dia hanatanteraka fisafoana any amin’ireo toerana ahiana. Miaraka amin’izay dia mitohy ny fikarohana ireo nahavanon-doza sy ny fanadihadiana, hanatrarana ireo tompon’antoka. Ankoatra izay dia himasoana ny fanarenana ireo faritra may, iarahana amin’ireo mpikaroka ao amin’ny Valbio.

Lire la suite

Articles Similaires