Miaratra : impiry no tokony hisolo ny hareza ?
Ny hareza na « rasoir » no fitaovana isan’ny be mpampiasa rehefa miaratra. Tsy azo ampiasana mandritra ny fotoana maharitra loatra izy ireny fa mila soloina matetika, na ny « lames » na ilay fitaovana mihintsy raha « à jeter » mba hisorohana ny vokadratsy mety aterak’izany. Impiry ary no tokony hisolo ny hareza ?
Maharitra hafiriana ny « lame de rasoir » sy ny hareza ?
Marihana fa misy karazany maro ny hareza. Misy ireo afaka soloina ny « lame de rasoir » dia misy ihany koa ireo tsy afaka fa tonga dia ariana rehefa dombo. Miankina indrindra amin’ny hatetiky ny fiaratana sy ny haben’ny faritra haretana ny faharetan’ny « lame de rasoir » sy ny hareza. Mila heverina ao anatin’izany ihany koa ny karazan’ny volo haretana.
Raha matevina be ireo volo hesorina dia mora dombo kokoa ny « lame ». Ny volom-bava ohatra dia matevina kokoa raha oharina amin’ny volon-tongotra ka mahadombo malaky ny hareza. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny in-10 na in-11 ampiasaina ny hareza dia tokony soloina.
Inona no mety ho vokadratsin’ny tsy fisoloana hareza matetika ?
Raha tsy voasolo matetika na ara-potoana ny hareza dia mety :
-Hitondra loto. Ny hareza tokoa mantsy, na dia diovina tsara aza, dia mitazona karazana loto samihafa eo anelanelan’ny « lames », toy ny hoditra maty, bakteria na volo. Noho izany raha tsy soloina matetika izy io dia mety hahatonga « infection » satria mety ho tafiditra anatin’ny mason-koditra ireo loto ireo rehefa miaratra.
-Handratra. Rehefa niasa be loatra ny « lame de rasoir » dia mety ho lasa dombo. Raha izany no mitranga dia tsy hahatapaka ny volo izy io fa mety handrirotra izany ka sady hanaintaina no mety handratra ny hoditra. Ambany kokoa ny « risques » mety handratra rehefa miaratra rehefa misosa tsara ny hareza noho izy rehefa dombo.
-Hampisy volo tsy mivoaka. Rehefa tsy nisolo nandritra ny fotoana maharitra ny hareza dia lasa mila averimberina matetika eo amin’ny faritra haratana vao afaka tsara ny volo. Ny fanaovana izany nefa dia mety mampivadika ny volo ka mahatona ny volo tsy mivoaka na « poil incarné ».
Ireo fambara hamantarana fa tokony efa hisolo ny hareza na ny « lame de rasoir »
Amin’ny ankapobeny dia tsapa eny foana rehefa tokony hisolo ny hareza na ny « lame de rasoir ». Ny fambara matetika ahafantarana izany ny hoe lasa dombo ilay « lame » ka tsy mahatapaka tsara ny volo na mandrirotra izany rehefa miaratra. Fambara hafa ahafantarana izany ihany koa ny hoe lasa somary vasoka na koa hoe misy arafesina ilay « lame ». Rehefa miseho ireo fambara ireo dia mila ariana avy hatrany ny « lame de rasoir » na ny hareza « à jeter ».