Taona 2025 : Miandrandra fisondrotan-karama ny mpiasa
« Miakatra ny vidim-piainana », isan’ny antony iray lehibe indrindra hanantenan’ireo mpiasa rehetra ny fisondrotan-karama ho an’ny taona vaovao io. Ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina no isany tena miandry izany, amin’ny ankapobeny. Andrandrain’izy ireo izany, amin’ny lahatenin’ny Filoham-pirenena, rahampitso 31 desambra 2024.
Ampifanarahana amin’ny fiainana isan-tokantrano
Raha tsiahivina dia ny volana may 2022 no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy farany ny fisondrotan-karama. Niakatra 9.9% izany, tamin’io fotoana io, izay nifanarahan’ireo mpampiasa sy ny Fitondram-panjakana. Efa tsy mifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana intsony anefa izany, roa taona aty aoriana ka izany indrindra no angatahan’ireto mpiasa ireto izany. « Tsy tokony hiankina amin’ny isan-jato intsony fotsiny ny fampiakarana karama fa tokony hojerena tsirairay ny filàna isaky ny ankohonana ka izany no hamaritana ny karama farany ambany », hoy i Mananandro Jean Raphaël, Sekretera Jeneralin’ny Sendika FISEMARE. Raha tsiahivina dia 250 000 ariary isam-bolana amin’izao fotoana izao ny karama farany ambany ; izay tsy ampy ny fianakaviana iray anatin’ny 30 andro intsony, raha ny fanazavan’izy ireo. « Miakatra ny vidim-bary, menaka, hena, siramamy sy ireo tsy maintsy ilaina anatin’ny volana iray. Hialan’ny hofan-trano anefa io karama io dia efa tena kely », hoy ireo mpiasa mandray io karama farany ambany io.
Tsy azo ihodivirana
Olana iray eo amin’ny sehatry ny asa efa tsy azo ihodivirana intsony io fampiakarana ny karama io amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny avy ao amin’ny FISEMARE. Antony roa lehibe no isan’ny nanamarinan’izy ireo izany. Ankoatra ny fiakaran’ny vidim-piainana dia antony lehibe ihany koa ny fanajana ny maha-olona. « Raha tsy maha ampy ny mpiasa sy ny ankohonany anatin’ny iray volana ny karama dia efa tsy misy fanajana ny maha-olona izany. Ao anatin’ny lalàna anefa dia isan’ny misongadina ao ny fanajana ny maha-olona amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo izay karama ampy azy ireo izay », hoy hatrany izy ireo. Vaovao iray, andrasan’ny mpiasa fatratra ho an’ny taona 2025 izany.