Amboasary Atsimo : Mamely mafy ny hain-tany sy ny tiomena
Manao antso amin’ireo izay malalatanana sy ireo tompon’andraikitra ny Solombavambahoakan’ny Distrikan’Amboasary Atsimo fa miverina indray ny « kere ». Mamely mafy ny hain-tany sy ny tiomena na ny tsokan’ny fasika mandrakotra ny tanàna. Miantso ireo izay afaka hanampy ny tenany ao anatin’izany.
Hatramin’ny 43°C ny hafanana
« Mamely mafy ny hafanana ary miakatra hatramin’ny 39°C sy 43°C ny mari-pana », hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity. Tena ratsy izany toetr’andro izany, hoy hatrany ny tenany ka hiantsoany ny rehetra ho mailo sy handray andraikitra. Ambony be io hafanana io raha oharina amin’ny mahazatra ireo mponina izay manodidina ny 35°C eo ho eo. Fanampin’izany anefa dia mbola tsy misy ihany koa ny rotsak’orana ka maina ny tany, izay miteraka tiomena. Isan’ny hany fitandremana azon’ny mponina atao ny manamafy ny trano sy miezaka miaro tena amin’ny fasika. Eo ihany koa ny fikarohana rano sy fitsitsiana izany raha sendra mahita. Miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina ihany koa anefa io tsy fahampian-drano sy hain-tany io. « Manaitra ny tompon'andraikitra tandrify mba hanafaingana ny fanampiana na ny tosika ho an'ireo vahoaka sahirana », hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity.
Simba ny fambolena sy ny fiompiana
Mbola olana iray hafa mianjady amin’ireto mponina ireto ihany koa ny fahasimban’ny fambolena sy ny fahafatesan’ny biby fiompy noho ireo olana ireo. Raha tsiahivina anefa dia ireo no sehatra be mpanao indrindra any an-toerana. Hatahorana araka izany ny famokarana vokatra sy ny lafiny fiompiana amin’io taona ho avy io. Mbola betsaka ny ezaka mila harenina any amin’io tapany atsimo io mba tsy ho mafy toy izany hatrany ny fiantraikan’ny hain-tany sy ny tiomena. Efa misy ireo fikambanana samihafa, manaparitaka ny fambolena mahatohitra ny hain-tany sy ny tiomena any an-toerana, saingy tsy ampy izany. « Mila ny fandraisana andraikitra ny Fitondram-panjakana ny olana toy izao ; mba hahafahana mamaha izany araka ny tokony ho tratra sy maharitra », hoy hatrany ny fanazavana. Tsara ny manamarika fa kaominina miisa 18 no miaina izany olana izany amin’izao fotoana izao.