• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Noovo Info
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fitaovana tsy tokony ampiasana "prise multiple"

27/12/2024 07:13 © Moov

Tena manampy amin'ny fampiasana ireo fitaovana elektrika samihafa ny "prise multiple". Na manana ireo karazany tena raitra aza nefa, tsy hahazaka mihitsy ilay prise raha fitaovana matanjaka no miasa.

Ireo fitaovana tsy zakan'ny "prise multiple"

Mba hisorohana ny firehetana sy ny fipoahana, tokony atsatoka avy hatrany amin'ny "prise murale" fa tsy ampiasàna "prise multiple" ireto fitaovana ireto.

Fera fipasohana

"Mihinana courant" be ny fera fipasohana. Amin'ny ankapobeny dia 1 000 W raha kely indrindra no tanjany. Tsy dia tsara atsatoka amin'ny "prise multiple" izy araka izany.

Vata fampangatsiahana

Heverina fa tsy dia matanjaka ny vata fampangatsiahana matetika. Na congélateur na refrigérateur, aleo tsy mampiasa "prise multiple" mihitsy. Mety tena hipoaka ilay prise raha sady mandeha ny vata fampangatsiahana no mandeha ny fatana elektrika sy ny famanana rano.

Laforo / Micro-ondes

"Energivore" na mihinana angovo betsaka ny Laforo sy ny Micro-ondes. Aleo tsy ampiasaina amin'ireo fitaovana ireo ny "prise multiple". Tsara mihitsy aza raha pihana ny ankamaroan'ireo fitaovana matanjaka ao an-dakozia rehefa mampiasa Laforo / Micro-ondes.

Chauffe-eau

Mila angovo mantanjaka ny "Chauffe-eau" entina hamanàna rano. Mba hisorohana ny "surcharge" amin'ilay fantsona mpitondra herinaratra. Atsatoka avy hatrany amin'ny "prise murale" ny chauffe-eau, rehefa tsy mampiasa fitaovana matanjaka hafa ao an-trano.

Sèche-cheveux / Brushing

Matetika dia mampiasa "prise multiple" avokoa ireo "salon de coiffure". Tsy tsara ianarana nefa izany satria mety hahatonga loza amin'ny fotoana tsy ampoizina. Tsy tokony ampiasàna "prise multiple" ny Sèche-cheveux / Brushing, na dia ajanonjanona matetika aza ny fampiasana azy.

Lave-vaisselle / Lave-linge / Sèche-linge

Tsy zakan'ny "prise multiple" ireo fitaovana somary lehibe sady matanjaka. Tokony anokanana "prise murale" iray avy izy ireo.

Fitandremana

Amporisihina ny rehetra mba hifidy ireo fitaovana elektrika manara-penitra, na somary lafo aza izany. Raha ireo "fils" ratsy kalitao dia levona ho azy anaty rindrina na plafond izy ireny rehefa matanjaka ny fitaovana ampiasana herinaratra. Mety hisy mihitsy aza ny firehetana sy fipoahana tampoka. Mila mifidy ireo tolotra tena azo antoka izany rehefa manao "installation électrique", na koa mividy "prise multiple". Tsara raha fantatra avokoa ny tanjak'ireo fitaovana ampiasaina ao an-trano, mba hahafahan'ny manam-pahaizana manoro ireo materialy tokony vidiana.
Ireo fitaovana informatika isan-karazany no tena azo ampiasàna "prise multiple". Zakany tsara ihany koa ny fahitalavitra, ny fanamafisam-peo sy ireo fitaovana elektronika tsy dia matanjaka firy. Tsy dia ilaina firy ao an-dakozia izany ny "prise multiple".

Lire la suite

Articles Similaires