« Surmenage » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Maro tokoa ny olona tratry ny « surmenage » eny amin’ny fiarahamonina eny, indrindra amin’izao fiainana sarotra izao. Rehefa tototry ny asa aman’andraikitra sy ny adin-tsaina ny olona iray nefa tsy maka fotoana hakana aina dia mety ho tratry ny « surmenage ». Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina izany ka hisy vokadratsy amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « surmenage ».
Inona no atao hoe « surmenage » ?
Atao hoe tratry ny « surmenage » ny olona iray rehefa mihoatra ny fetra zakan’ny vatany sy ny saina ny zavatra sahaniny isan’andro. Izany hoe miasa mafy, manao raharaha be loatra, miadin-tsaina lava… nefa tsy ampy ny fotoana hakana aina sy mba hialana voly. Rehefa mitohy mandritra ny fotoana maharitra ireo henjikenjika sy adin-tsaina lava amin’ny fiainana ireo dia lasa reraka ny vatana sy ny saina ary lasa misy olana ara-pahasalamana.
Ireo fambaran’ny « surmenage »
Maro ireo fambara mety ahafantarana fa tratry ny « surmenage » ny olona iray. Anisan’izany ny :
-Havizanana be na dia efa natory tsara aza ny alina ;
-Rarin-tsaina maharitra sy mitoetra ka lasa mitebiteby lava, kizitina sy tsy mahavita maka aina na miala voly ;
-Fahasahiranana mifantoka ka lasa tsy mahavita manatanteraka ireo zavatra tokony atao, na ny asa any am-piasana izany na ny raharaha ao an-trano ;
-Fikorontanan’ny torimaso toy ny hoe tsy mety mahita tory na tapa-tory lava ;
-Marary an-doha, manakotsako ny hozatra, misy olana ny fandevonan-kanina.
Ireo antony mety mahatonga azy
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona ho tratry ny « surmenage » :
-Fandaharam-potoana feno loatra ao am-piasana, toy ny hoe be fivoriana hatrehana ankoatra ny tetikasa sy ny asa tsy maintsy enjehina anaty fe-potoana voafetra ;
-Be raharaha atao ao an-trano, toy ny fikarakarana ny zaza sy ny ankizy, fanadiovana trano, sasa-lamba, fiantsenana… ;
-Tsy ampy fotoana hakana aina sy hialana voly fa tototry ny asa sy ny rotorotom-piainana ;
-Be loatra ny zavatra endrasan’ny hafa sy ny fiarahamonina amin’ny tena ka lasa vao maika mitombo ny rarintsaina ;
-Ny « perfectionnisme » na ny faniriana hitady ny lafatra amin’ny zavatra rehetra atao hany ka lasa miasa mafy kokoa ary misahana zavatra be loatra tsy araky ny aina.
Ireo mety ho fiantraikany
Mety hisy fiantraikany amin’ny lafin-javatra maro eo amin’ny fiainana ny « surmenage ». Anisan’izany ny fiantraikany :
-Ara-batana toy ny fanaintainana samihafa vokatry ny harerahana, ny fikorontanan’ny torimaso, ny areti-mitaiza toy ny tosidrà avo, aretim-po… ;
-Ara-tsaina izay mety mitarika tebiteby, fahaketrahana na « épuisement professionnel » izay atao hoe « burn-out » ;
-Ara-pifandraisana amin’ny hafa satria ny fahaketrahana vokatry ny « surmenage » dia mety hahatonga ilay olona lasa tia mitokatokana, kizitina, sarotra hiaraha-miaina…
Ahoana no atao hisorohana ny « surmenage » ?
Mba hisorohana ny « surmenage » ary dia mila :
Henoina tsara ny vatana. Raha mahatsapa reraka na miady saina loatra dia maka fotoana kely mihintsy hakana aina ;
-Mianatra mandà. Tsy mety ny manaiky manampy ny asa na ny raharaha atao raha efa tsapa hoe tsy maharaka intsony ny saina sy ny aina ;
-Amboarina ny fandaharam-potoana. Raha betsaka ny zavatra mila tratrarina dia ezahana alamina hoe izay tena maika no enjehina ary zaraina amin’ny hafa ireo asa afaka zaraina ;
-Maka aina matetika, toy ny hoe mandeha tongotra kely na manao « respiration » kely, na dia minitra vitsy aza mba tsy havesatra loatra ny saina ;
-Manana fomba fiaina ara-pahasalamana, izany hoe mihinana sakafo voalanjalanja, manao fanatanjahantena, atao ampy tsara ny torimaso amin’ny alina… Izany dia mba hanomezana hery ny vatana sy ny saina.