Fahadiovan’ny vatana : ireo faritra matetika tsy voadio tsara
Rehefa mandro isika dia misy faritra amin’ny vatana tsy dia tanditandrina ka lasa tsy voadio tsara. Ireo faritra ireo nefa dia isan’ny tena hitoeran’ny bakteria ka mety mahatonga aretin-koditra. Andeha ary ho fantarina ny santionany amin’ireo faritra matetika tsy voadio tsara rehefa mandro.
Ny ao ambadiky ny sofina
Faritra iray matetika adino rehefa mandro ny ambadiky ny sofina. Mora hitangoronan’ny bakteria tokoa nefa izy io satria misy « glandes sudoripares » mamokatra hatsembohana eo aminy. Rehefa tratry ny bakteria ny hatsembohana dia lasa mamoaka fofona ratsy. Etsy andaniny, misy ireo loto miraikitra eo aminy, toy ny vovoka, ny hoditra maty… izay lasa mivadika tsikoko. Noho izany, rehefa mandro dia mila hosorana savony tsara ao ambadiky ny sofina avy eo kobanina. Aorian’izay dia kosehana amin’ny tanana hiala tsara ny tsikoko dia averina kobanina indray.
Ny foitra
Ny foitra ihany koa dia isan’ireo faritra tsy tandritandrina rehefa mandro ka lasa tsy voadio ara-dalàna. Marina fa mety manelingelina ny fikitihana ny foitra eo amin’ny olona sasany. Tena ilaina tokoa nefa ny manadio tsara azy io rehefa mandro mba hisorohana ny « infections ». Araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia voalaza fa ahitana bakteria eo ho eo amin’ny 1 458 karazana eo amin’ny foitra. Maizimaizina sy mandomando tokoa mantsy ny faritry ny foitra ka tian’ny bakteria. Raha tsy diovina matetika izy io dia mivangongo ao ny loto, ny hoditra maty, ny bakteria, ny hatsembohana… ka lasa mahatonga « croûtes » sy fofona ratsy. Indraindray mety miteraka « infection ». Noho izany, mila kosehana mora amin’ny rantsan-tanana ao anatin’ny foitra rehefa mandro avy eo kobanina tsara.
Ny tongotra
Maro tokoa ny manadino mikosoka sy manadio tsara ny tongotra rehefa mandro. Matetika dia variana amin’ny fikosehana ny tenda, ny sandry, ny lamosina, ny fe sy ireo faritra ambony rehetra ka manao ankilabao ny tongotra. Marihana nefa fa ny tongotra, indrindra ny rantsan-tongotra, matetika dia rakotra bakteria. Raha tsy voadio tsara amin’ny savony ireto farany dia mety miraikitra amin’ny tongotra sy miteraka fofona ratsy. Ankoatra izay dia mety ahatonga aretin-koditra eo amin’io faritra io. Tsy izany ny manakobana fotsiny ny tongotra rehefa mandro fa mila osorana savony, kosehina ary kobanina tsara isaky ny mandro sy misasa.