• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Teny anglisy : Mpampianatra 150 homena fiofanana, manaraka ny fenitra amerikanina

28/11/2024 11:50 © Moov.Mg

Mpiara-miombon’antoka isan’ny manan-danja indrindra amin’i Madagasikara, amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana teny anglisy, ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika. Efa maherin’ny 1.000 isa ireo mpampianatra malagasy nisitraka ireo praograman’asa amerikanina mifandraika amin’izany.

Manamafy fahaizana

Hatramin’ny taona 2020 no nankaty dia mpampianatra teny anglisy manodidina ny 1.200 isa, avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, no voaofana, tao anatin’ireo praogramam-pampiofanana misy eo anivon’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, araka ny fanazavan-dRabeharindrasana Ravakiniaina, mpandrindra ny fandaharanasa fampianarana teny anglisy eo anivon’ity masoivoho ity. Misahana ny kilasy faha-enina no ho miakatra izy ireo, no nomena fahalalana momba ny fomba fampianarana manaraka ny fenitra amerikanina, na eo amin’ny fomba fanatanterahana ny fampianarana, na eo amin’ireo fitaovana enti-mampianatra, toy ny boky sy tranonkala. Tsy mitovy amin’ny fomba fampianarana teny anglisy mahazatra eto Madagasikara mantsy ny fomba fampianarana any Etazonia, ka mitondra fiovana eny amin’ireo sekoly iasan’ireo mpampianatra ny fampiofanana azony, izay manamafy kokoa ny fahaizana azon’ireo mpianatra. Eo an-daniny, namporisihina izy ireo mba hizara ny fahalalana azony, tamin’ireo mpampianatra namany, izay tsy niatrika mivantana ny fiofanana.

Fanamafisam-pahalalana

Hanatanteraka kaonferansa lehibe, hampivondronana ireo mpampianatra teny anglisy efa vita fiofanana ireo, ny Masoivohon’i Etazonia, amin’ny volana jona 2025. Mpampianatra miisa 150 amin’ireo efa nahazo fiofanana, no hahazo fanamafisam-pahalalana indray, amin’io fotoana io. Hanatanteraka izany fampiofanana izany ny mpampianatra miisa 5 na 6, manana traikefa manokana amin’ny fampianarana teny anglisy, avy any Etazonia. Ho avy eto amintsika ihany koa ny manam-pahaizana manokana momba ny teny anglisy sy ny lehiben’ny praograma momba ny teny anglisy aty amin’ny faritra Atsimo sy Atsinanan’i Afrika. Izy ireo no hifandrimbona hanatanteraka ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra miisa 150 ireo.

Tsara ny manamarika fa nijoro tamin’ny volana jolay, tamin’ity taona 2024 ity, ny « English Language Teacher’s Association » (ELTA), izay fikambananan’ireo mpampianatra teny anglisy miara-miasa akaiky amin’ny Masoivoho Amerikanina, amin’ireo praograma rehetra mikasika ny fandaharanasa momba ny teny anglisy. Ity fikambanana ity no manampy amin’ny fifantenana ireo mpampianatra 150 hisitraka ny fampiofanana fanamafisam-pahalalana, izay hotanterahina amin’ny volana jona.

Lire la suite

Articles Similaires