• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Voix Du Nord
Image
Asa & Fianarana

Fianarana : torohevitra hanampiana ny zanaka amin’ny enti-mody

06/11/2024 16:47 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampiferotraina ny ankizy sy ny ray aman-dreny ny fanaovana ny enti-mody. Matetika moa dia miafara amin’ny tabataba sy ny ranomaso izany rehefa samy vizaka ny andaniny sy ny ankilany. Ireto ary misy torohevitra vitsy hanampiana ny zanaka amin’ny fanaovana ny enti-mody am-pazotoana sy am-pitoniana.

Omena toerana milamina izy anaovana ny enti-mody

Ny fomba voalohany hanampiana ny zanaka amin’ny fanaovana ny enti-mody dia ny fanomezana azy toerana milamina hanaovany izany. Izany hoe hanokanana toerana kely manokana, lavitry ny tabataba sy ny fanelingelenana samihafa izy mba hifantoka tsara. Ankoatra izay dia atao ampy tsara ny fitaovana hampiasainy sy ny hazavana eo amin’ny toerana hianarany. Anatin’izany ihany koa ny fametrahana ora raikitra isan’andro amin’ny fanatanterahana ny enti-mody mba hanazarana azy.

Ampiana izy fa tsy atao amin’ny toerany ny enti-mody

Maro tokoa ny ray aman-dreny mety ho alaim-panahy hanao ny enti-mody amin’ny toeran’ny zanany rehefa hitany fa sahirana na tsy mety mahavita izany ity farany. Zavatra isan’ny tena tsy azo atao nefa izany satria manakana ilay zaza hiezaka ny fanaovana izany. Mety hahazo naoty ratsy izy raha diso ny enti-mody ataony nefa fomba iray hahafahana manampy azy hiezaka sy hianatra tsara izany. Mila eo kosa nefa ny ray aman-dreny manampy azy amin’ny fahafantarana sy ny fanintsiana ireo zavatra tsy hainy.

Tohanana izy mba hazoto

Amin’ny mbola ankizy azy dia mila fanohanana sy fandrisihana izy amin’ny fanaovana ny enti-mody. Tsara raha eo anilany ny iray amin’ny dada sy neny mba hahafahany manontany ireo zavatra tsy azony ohatra. Rehefa hita fa misy ezaka vitany dia ankasitrahana sy omena farisihana hatrany izy mba hahatonga azy hazoto sy hiezaka tsara hatrany. Raha lava na marobe ny enti-mody dia avela maka aina kely izy fa tsy terena hamita izany indray mandeha.

Lire la suite

Articles Similaires