Fananan-tany: Nikaro-bahaolana amin'ireo lesoka samihafa ny ministera telo
Notontosaina tao amin'ny efitrano fivorian'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ny fikaonan-doha mahakasika ny "Fandaharan'asa Nasionalin'ny Fananan-tany" na PNF II. Fotoana iray natao indrindra nikaroham-bahaolana amin'ireo lesoka samihafa manodidina ny fananan-tany izany. Tanjona amin'izany ny mba hahafahan'ny rehetra mihoatra amin'ny fiainany amin'ny alalan'ny fisitrahana amin’ny fomba malalaka ny taniny.
Minisitera telo no voaresaka sy nandray anjara tao anatin'ity fikaonan-doha ity. Nahitana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ny Minisiteran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany ary ny Minisiteran'ny Fitsarana, izay nisoloan-tenan'ny Sekretera Jeneraliny avy. Fa nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis kosa ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisitera Atoa Rabearisoa Rochel.
Fitantanana mangarahara
Tanjona lehibe no ezahina ho tratrarina anatin'ity fandaharan'asa ity dia ny hampitombo ny toekarena sy ny sosialin'ny Malagasy mpisitraka ny taniny. Misedra olana anefa izany sehatra izany ka anton'izao fikaonan-doha izao. Araka ny adihevitra dia anisan'ny olana lehibe ka miteraka kolikoly ny fitarazoan'ny asa, ny tsy fisian'ny fangaraharana, ny tsy fahalalàna, fa eo ihany koa ny resaka boky rovitra. Ho fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa ary, dia natao ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, mba hifehezana ny fitantanana ny fananan-tany ka hamahana ireo karazan'olana maro. Eo ny fanafainganana ny fikarakarana taratasy sy ho fiarovana ireo atontan-taratasy momban'ny fananan-tany, indrindra manoloana ireo mpangalatra tany. Hivaha ny olana mahakasika ny boky rovitra, izay tena anisan'ny mitarika mankany amin'ny kolikoly. Nanamarika ny teo anivon'ny Ministeran'ny fitsarana fa vonona hatrany amin'ny famahana ireo olan'ny fananan-tany ireo. Manomboka amin'ny ady amin'ny kolikoly izany ka tonga hatrany amin'ny raharaham-pitsarana momba ny ady tany sy ny maro hafa.