• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Itcilo
Image
Vaovao

Asa vaventy : Afaka mifaninana amin’ireo injeniera maneran-tany ny injeniera eto Madagasikara

19/09/2024 15:00 © Moov

Manankarena manam-pahaizana i Madagasikara. Mitombo hatrany ireo mpianatra mivoaka ho injeniera amin’ny asa vaventy eny amin’ny Polytechnique Vontovorona. Efa manana toky ireo ao amin’ny Fikambanan’ny Injenieran’ny Asa Vaventy eto Madagasikara (FIAVAMA) fa manana injeniera afaka mifaninana amin’ireo any ivelany isika eto Madagasikara.

Mivoaka any ivelany

Miisa hatramin’ny 3 000 ireo injeniera mivoaka avy amin’ireo sekoly ambony eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny 2 500 amin’ireo ihany kosa no ao anatin’ny FIAVAMA. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana dia mbola ampy ireo injeniera ireo raha oharina amin’ny firenen-kafa eto Afrika. Ny ankamaroan’ny injeniera Malagasy anefa mivoaka any ivelany avokoa rehefa mahavita fianarana noho ny karama sy ny fahitana asa hafa. Etsy ankilany dia ireo orinasa vaventy vahiny hatrany no mahazo ny asa eto an-toerana ka manakarama ireo tavela sisa. Ny ankamaroan’ny asa tanterahina, indrindra ireo fotodrafitrasa lehibe anefa dia ilaina injeniera avokoa. Araka izany, raha sokafana ho an’ny malagasy ny tsenan’asa eto an-toerana, araka ny fanazavan’ireo injeniera dia mety hiverina eto Madagasikara avokoa ireo injeniera nivoaka ireo.

Misedra olana

Manana injeniera maro be ny eto Madagasikara. Misedra olana ihany koa anefa izy ireo amin’ny fianarana sy ny fihariana eto an-toerana. Mahatonga ny kalitaon’ireo mpianatra ho ambany izany ary miteraka olana eo amin’ny kalitaon’ny fotodrafitrasa tanterahina. « Maro ireo sekoly manofana ho injeniera kanefa tsy azo antoka ny kalitao amin’ireo fampiofanana hatolotr’ireny sekoly ireny. Tsy ary ho vitan’ny fanjakana avokoa anefa ny manaraka izany ka tokony mba hatsaraina ny kalitao mba ho reharehan’ny Nosy », hoy ny Filohan’ny FIAVAMA. Marihina anefa fa sehatra iray tena hahafahana mihary ny sehatry ny asa vaventy sy ny fananganana fotodrafitr’asa eto Madagasikara. Manosika ny orinasa tsy handray ny injeniera malagasy kosa ny kalitaon’izy ireo ka izay indrindra no tokony hanatsarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires