• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Orn Analanjirofo
Image
Vaovao

Ady ho an’ny fanjariantsakafo : Nitondra vokatra tsara ny tetikasa HAFA Velontegna

19/09/2024 14:43 © Moov.Mg

Nahitam-bokatra tsara ny tetikasa HAFA Velontegna (HAnatsarana ny FAnjariantsakafo sy ny VELONTEGNA) ; Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana tahiry iombonana (GEC), miaraka amin’ny famoronana asa velon-tena.

Misakafo ara-dalàna

Nifarana tamin’ny taona 2023 ny tapany faharoa tamin’ny tetikasa HAFA Velontegna, tohanan’ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) ary tanterahan’ny fikambanana tsy miankina Organisation de Soutien pour le Développement Rural à Madagascar (OSDRM). Ny Distrikan’i Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, ary Soanierana Ivongo, any amin’ny Faritra Analanjirofo, no nisitraka ny tetikasa. Marobe ny asa natao tao anatin’izany tetikasa izany, fa isan’ny nisongadina ny fanofanana ireo mponina, teo amin’ny lafiny fambolena. Nahafahan’ireo mpisitraka nampitombo ny voka-bary, ohatra, ny fampiharana ny teknika « Zanatany ». Teo ihany koa ny famoronana tanim-boly nambolena legioma isan-karazany, izay sady ampiasain’ireo fianakaviana ho sakafo, no amidy ihany koa. Ahafahan’izy ireo manjifa vokatra hafa ilaina, toy ny hena, fitafiana, sy zavatra hafa izay mety manatsara kokoa ny fari-piainany, ny vola azo. Iray amin’ireo mpisitraka ny tetikasa i Tombondrasoa Jacquise, renim-pianakaviana monina ao Ambalatenina, Distrikan’i Vavatenina. « Mihinam-bary isan’andro izahay, ampiarahana amin’ny legioma otazana eo amin’ny tanimbolinay », hoy izy. Nanamafy izy fa na mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra aza, eo anelanelan’ny volana novambra hatramin’ny volana febroary, dia mihinana izay mahavoky azy tsara izy mianakavy kely.

Manitatra ny asa velon-tena

Olona 675.000 isa isan-taona no nokendrena hahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa HAFA Velontegna, ka ankizy latsaky ny 5 taona ny 120.000 ary vehivavy bevohoka ny 30.000 isa amin’ireo. Namporisihina ireo mpisitraka mba hiditra amin’ny fampiasana tahiry iombonana. Tombony amin’izany ny fahafahan’izy ireo mindram-bola amin’ny tahiry, hahafahana manitatra ny asa velon-tena. Ny findramam-bola nataony izao, no nahafahan’i Tombondrasoa Jacquise nividy fitaovam-pambolena sy masom-boly isan-karazany, nentiny nanovaova ireo vokatra amboleny. Tsy vitan’izany fa fikambanana ahafahana manovo fahalalana, toy ny fanabeazana ara-bola ihany koa, ny tahiry iombonana, ary ifampizaran’ireo mpikambana ny traikefa azony.
Tetikasa isan’ny manan-danja amin’ny ady marolafy ho an’ny fanjariantsakafo any amin’ny Faritra Analanjirofo, ny tetikasa HAFA Velontegna, izay nanomboka ny taona 2021 ny tapany faharoa ary nifarana ny taona 2023, raha ny taona 2019 hatramin’ny taona 2021 kosa ny tapany voalohany.

Lire la suite

Articles Similaires