• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Blog De Kline
Image
DYI

Fanamboarana baume à lèvre natoraly misy lokony

12/09/2024 16:44 © Moov.Mg

Ilaina mandava-taona ny baume à lèvre mba hanamandinana sy hiarovana ny molotra tsy ho vakivaky. Maro ireo fomba fanamboarana baume à lèvre natoraly vita ao an-trano. Ny entina amintsika eto indray ary dia ny fanaovana azy atao misy lokony.

Ireo zavatra ilaina

-Beurre de karité 2 sotrokely ;
-Menaka zavamaniry toy ny lavanila, amande douce, jojoba 3 sotrokely ;
-Cire d’abeille 1 sotrokely ;
-Vovoka betiravy ½ ny sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Araraka anaty fitoerana madio sy maina tsara ny beurre de karité.
Arotsaka ao ny menaka zavamaniry. Tsara kokoa raha menaka lavanila no ampiasaina noho izy manome sakafo ny molotra sy izy mamoaka fofona tsara.
Arotsaka farany ao ny cire d’abeille. Aroharoana tsara daholo ireo fangaro.
Mampangotraka rano anaty vilany ary apetraka eo ilay fitoerana misy ny fangaro. Atao fitoerana mahazaka hafanana mazava ho azy. Tsy atao tafiditry ny rano ny fangaro fa atao « bain-marie » mba hitsonika. Aroharoana hatrany.
Rehefa mitsonika tsara dia arotsaka ao ny vovoka betiravy. Aroharohana avy hatrany mba hifangaro tsara sy mba tsy hisy tambaingambaingana.
Tsy endrasana mangatsiaka fa izy mafana iny no afindra anatin’ny fitoerana hitahirizana azy. Mivaingana ho azy ny « baume à lèvre » miloko rehefa mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires