• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aujardin.Info
Image
DYI

Fikafika hanakanana ny hala tsy hiditra ao an-trano

11/09/2024 14:29 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana maso sy mamenatra tokoa ny fisian’ny tranonkala ao an-trano. Matetika moa dia ny fanadiovana tsara ny trano sy ny rindrina no hanesorana azy ireny. Ireto manaraka ireto kosa ary misy fikafika manampy mba tsy hidiran’ny hala ao an-trano intsony.

« Huiles essentielles »

Isan’ireo bibikely tsy mankala ny fofona mahery ny hala. Mba hanakanana azy ireny tsy hiditra ao an-trano intsony dia tsifirina rano nasiana « huiles essentielles » kely eo amin’ireo faritra mety hidirany. Izany hoe eo amin’ny manodidina ny varavarankely, ny varavarana sy ireo toerana maizimaizina fiafenan’ny hala ao an-trano. Atao matetika ity torohevitra ity mba hanafongorana tanteraka ireo hala ao an-trano.

Vinaigitra fotsy

Ny vinaigitra fotsy dia akora natoraly fampiasa amin’ny fiadiana amin’ireo karazana bibikely tafiditra ao an-trano ka anisan’izany ny hala. Afangaro ny vinaigitra fotsy sy ny rano ary atao anaty « vaporisateur ». Ahontsana tsara hifangaro avy eo atsifitra eo amoron’ny varavarankely sy varavarana ary koa eo amin’ireo toerana matetika ahitana hala ao an-trano. Ny fofona vinaigitra dia mampitsoaka ny hala.

Veromanitra

Ny veromanitra dia zavamaniry mamoaka fofona mahery tsy tian’ny hala. Maro ireo vokatra vita amin’ny veromanitra azo ampiasaina raha tsy hitanisa afatsy ny « huile essentielle », labozia na koa ny dite veromanitra. Azo atao ihany koa ny mamboly azy ireny eo amin’ny manodidina ny trano mba hanakanana ny hala tsy hanantona sy hiditra ao an-trano.

Ravina voatabia

Ahitana singa simika tsy tian’ny hala ao anatin’ny ravina voatabia. Afaka ampiasaina hanakanana ny hala tsy hiditra ao an-trano arak’izany izy ireny. Tsotra ny fampiasana azy. Maka ravina voatabia maromaro ary apetraka eo amin’ireo toerana mety hidiran’ny hala izany. Izany hoe eo akaikin’ny varavarankely sy ny varavarana. Tsara asiana ravina voatabia ihany koa eo amin’ny toerana mety hiafenan’izy ireny, indrindra ireo faritra kizokizo ao an-trano.

Fanamarihana

Araka ny efa vohalaza teo ambony dia ny fanadiovana tsara ny trano no isan’ny fomba mandaitra indrindra hamongorana ny hala ao an-trano. Arak’izany dia fafana tsara daholo ny toerana maizimaizina mety hiafonan’izy ireny, toy ny any ambany fandriana, any ambadiky ny fanaka… Tsy adinoina ihany koa ny manhala ireo tranonkhala hita eny anjoron-drindrina rehetra eny mba tsy hampitombo isa ireo hala.

Lire la suite

Articles Similaires