• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Houlder Mohamed
Image
Sport

TARANJA BISIKILETA- I Mohamed Houlder no hisolo tena an’i Madagasikara

28/06/2024 22:44 © Moov

Ny 29 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao ny fifanintsanana eo amin’ny taranja bisikileta aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tontosaina any Maorisy ny lalao.

Ity no andiany voalohany ho an’ny fiadiana ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja bisikileta. I Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houlder no hisolo tena ny ekipam-pirenena Malagasy mandritra izany. Nambarany fa vonona tanteraka ny hiatrika ny fifaninanana ny tenany tao anaty fanehoan-keviny. Tsara ny mampahafantatra fa isan’ireo Malagasy mamiratra eo amin’izay hazakazaka am-bisikileta izay Houlder. Izy irery no Malagasy nahazo medaly alimo, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, izay natao teto Madagasikara. Azo heverina ho manana ny maha-izy azy avokoa ireo mpandray anjara amin’ity fifaninana iray ity. I Maorisy, mpampiantrano, aloha hatreto no mpifandrina isany tena atahorana.

I Madagasikara no vinavinaina handray ny andiany manaraka

Miisa 08 ireo firenena handray anjara ao anatin’ny fifanintsanana. Ankoatra an’i Maorisy, mpampiantrano, hifaninana ao anatin’izany ihany koa Madagasikara, Comores, Mayotte, La Réunion, Maldives, Seychelles ary i Sri lanka. Efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam’potoan’ny Federasiona iraisam-pirenena UCI ity fifaninanana ity ka hiezaka mafy i Houlder mba hahazo vokatra tsara. Raha ny fandaharan-dalao ho an’ny taona ho avy, mety hotontosaina eto Madagasikara ny andiany faharoan’ity fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo