• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Groupe 'Zay
Image
Culture

Kolontsaina : Hanohy ny seho an-tsehatra ny Tarika ‘Zay amin’ny alalan’ny fampisehoana « Samy te »

28/06/2024 15:26 © Moov

Hotohizana ny kanto na tsy eo intsony aza i Nary. Izany no tanjon’ity fiverenana an-tsehatra ho tanterahin’ny Tarika ‘Zay ity. Hifamotoana amin’ny mpankafy azy etsy amin’ny Fiantsonam-piarakodia (Parking) ny Kianja Barea Mahamasina indray ny tarika ny 6 jolay izao ao anatin’ny fampisehoana « Samy te ».

Tsy hisy solony i Nary

Fotoana iray hiverenana hiaonana amin’ny mpankafy indray ity fotoana ity. Enina mianadahy izy ireo amin’izao fotoana izao no mandrafitra ny tarika. Tsy hisy fanampiny ary tsy hisy hanalana izany fa hiaraka hiaka-tsehatra avokoa izy ireo. Anisan’ny nandrasan’ny mpankafy rahateo ny mahakasika ny ho avin’ny tarika tao anatin’izay 2 taona nanginana izay. « Tsy hisy hanolo i Nary. Hijanona aminay enina mianadahy ihany ny sehatra. Etsy andaniny anefa dia hamelona ireo hira nanamarika ny tarika hatrany izahay », hoy i Malala, ao anatin’ny tarika. Hamoaka indray ireo kanto nahafantarana ny tarika izy ireo ary hametraka fanamby goavana amin’ny mpankafy. Ansian’izany ohatra ny fampisehoana fa mitohy hatrany ny tarika ary hametraka ny maha ‘Zay an’ny ‘Zay.

Hitondra zava-baovao

Nanazava ny tarika fa maro ny zava-baovao hatolotry ny tarika amin’ity lanonana ity. Anisan’izany ohatra ny toerana izay hanatanterahana ny seho. Tsy miditra ao anatin’ny Kianja mba ho fanajana ny foto-drafitr’asa. Eo ihany koa ny haingon-tsehatra samihafa. Hiavaka hoy izy ireo izany rehetra izany. Etsy andaniny anefa dia anisan’ny nasiam-panamboarana ihany koa ny fomba fandaharana hatao amin’ireo hira nosafidiana. Araka ny fantatra dia fampiaraham-peon’ny lahy sy vavy ny ankamaroan’ny hiran’izy ireo. « Ho kanto hatrany ny seho na dia tsy eo aza i Nary. Izahay enina no miray saina hitondra indray ireo hira rehetra ireo », hoy hatrany i Malala. Hisy hira vaovao maromaro ihany koa hokaloina mandritra ny seho. Anisan’izany ity hira nitondrana ny seho ity « Samy te ».
Raha tsiahivina dia ny taona 2021 no nindaosin’ny fahafatesana i Nary. Nanatanteraka seho goavana niaraka tamin’ny mpihira maro hafa ny tarika ‘Zay ho fahatsiarovana azy ny taona 2022. Hiaka-tsehatra samirery amin’izay izy ireo amin’ity seho amin’ny volana jolay ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo