• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Ireland
Image
Sport

BAOLINA LAVALAVA- Mbola mafy ny ady ho an’ny Makis lehilahy

27/06/2024 16:22 © Moov

Ny talata 25 jona teo no nigadona tany Maorisy ny ekipam-pirenena malagasy handray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina lavalava lalaovin’olona fito, sokajy lehilahy.

Tsy maintsy manarina ny lesoka teo aloha
Ity no fifaninanana iraisam-pirenena voalohany hatrehan’ny Makis. Nisy ihany lalao tokony ho natrehina ny volana martsa teo, saingy noho ny lamina vitsitsy tsy maintsy napetraka dia voatery najanona. Hatreto aloha, somary ratsy fipetraka ny Makis nandritra ny fandraisana anjara tamin’ireo lalao iraisam-pirenena hafa. Ho fanarenana ireo lesoka tao anatin’ireny lalao teo aloha ireny araka izany, tsy maintsy hanova fomba filalao ny ekipam-pirenena ao anatin’ity fandraisana anjara iray ity. Ao amin’ny vondrona “A”no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya, Nizeria ary i Maorisy. Mizara dingana roa ny fifaninanana, ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 jona ho avy izao, ny dingana voalohany amin’izany. Herinandro manaraka izay kosa ny dingana faharoa. Ao amin’ny kianja Lambourdonnais Stadium, ao Port Louis Maurice, no tanterahina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby ho ana olona 7 Senior, lehilahy, na ny “Africa Men sevens 2024” ity. Ry zareo Kenianina no mpifanandrina mafy tena miandry ireo ekipam-pirenena. Ireto farany izay vao avy nandrombaka ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « HSBC seven rugby tour » tany Alemana, ny volana mey teo.

Vonona hiatrika ireo lalao ho avy ny Makis
Saika mpilalao vaovao avokoa no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy mandray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina lavalava lalaovin’olona fito ity. Nambaran’ny mpanazatra Mboazafy Noé na i Razily kosa fa azo atao tsara ity vondrona misy ny Makis ity. Miisa 12 ny ekipam-pirenena mpifaninana ao anatin’ity lalao ity dia i Maurice, Nigeria, Kenya, Madagascar, Burkina Faso, Tunisie, Ouganda, Côte d’Ivoire, Zambie, Afrika Atsimo, Algerie ary i Zimbabwe. Maro amin’izy ireo no efa mpandray anjara tamin’ny HSBC seven, efa zatra lalao iraisam-pirenena. Na eo aza izany, heverina fa tsy hahasakana ny Makis ireo mpilalao maorisianina izay efa nifankahazatra lalao tamin’izy ireo. Ny fiadiana ny volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy ny fihaonana nikatrohan’ny roa tonta farany ka nivoaka ho mpandresy ny Makis. Raha ny fipetraky ny lalao, hifanandrina voalohany amin’ny Makis ny Voromaherin’i Nigeria. Aorian’izany dia ry zareo Maorisianina. Amin’i Kenya kosa ny lalao farany. Ny ekipa 2 voalohany isan-tsokajy miampy ny ekipa roa tsara toerana indrindra, no miatrika ny ampahefa-dalana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo