• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wrestle
Image
Sport

Tolona- Tsy tafakatra amin’ny dingana faharoa ny ekipa malagasy

25/06/2024 18:35 © Moov

Tsy afaka nametraka ireo mpilalao nisolo tena an’i Madagasikara tao anatin’ireo fifandonana

Ny 22 sy 23 Jona teo no tontosa ny fifaninana fiadiana ho tompondaka an’i Afrika ho any taranja tolona ato eny amin’ny tora-pasika na ny « Beach wrestling », natao tany Dakar, Senegaly. Ratsy ny vokatra raha ho an’ireo mpilalao Malagasy nisolo tena tamin’izany. Tsy nisy nahazo medaly ireo mpandray anjara. Tsy tafita ny dingana faharoa avokoa na i Mioraniaina Dina Tsilavina, sokajy vehivavy latsaky ny 60kg, na i Randrinantoandro Faly Hery, solotena teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg. Lavo tamin’ny isa 3 noho 0 nanoloana ilay teratany Borondey i Faly Hery. Resy tamin’ny isa 4 noho 1 kosa i Dina Tsilavina izay nifandoana tamin’ilay Namibianina.

Tsy ampy ny teknika sy traikefa an’ireo solontena

Hita taratra tao anatin’ireo lalao ny tsy fahampiana traikefa ho an’ireo nisolo tena. Teo amin’ny lafiny ara-tekinika sy paikady madinidinika no hita tena lesoka teo amin’ireto farany raha ny fanehoan-kevitrin’ny filohan’ny federasiona. Toe-javatra roa samy hafa mintsy ny tolona an-torapasika sy ny tolota atao eny ambony kianja. Nieritreritra ihany ireo mpilalao tao anaty katrok’ady fa tsy ampy ny teknika nentiny niady ka lavo amboalohany. Hita lesoka ho an’ireto mpilalao Malagasy ireto ihany koa ny teo amin’ny ara-batana, izay tsy ampy halavana. Somary fohy izy mianadahy raha oharina amin’ireo mpifanandrina taminy. Tsy maintsy hisy kosa hoy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tolona, Raveloson Mamitiana ny ezaka ho fampiroboroboana ity taranja ity eto Madagasikara. Ny taona 2028 dia tafiditra ao anatin’ireo taranja hifaninana amin’ny lalao olimpika ity farany, ilaina araka izany ny fametrahana izany eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires