• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Burgosandbrein
Image
Sport

Lalao olympika : Ny komity olympika no tompon’ny teny farany

25/06/2024 18:27 © Moov

Fepetra hahazoana ny « wildcard » eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Rehefa nanao « circuit olympique » ny atleta iray dia miezaka manatratra ireo isa napetraky ny rafitra olimpika mba ahafahany miatrika ny lalao olimpika. Misy ao anatin’izany ny fandraisana anjara amin’ireo lalao hivelany na ao anatin’ny fifanintsanana amin’ny lalao olimpika ilay atao hoe « Tournoi de Qualification Olympique ». Rehefa mahafeno izay isa izay ny atleta dia manan-jo tanteraka ahazo ny wildcard. Misy kosa anefa amin’izy ireo no tsy tonga teo amin’ilay isa napetraky ny « Comité internationale olympique » na ny CIO. Nisy ny ezaka tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo lalao fifanintsanana fa tsy taditra tao anatin’ireo nahafeno ny isa. Etsy ankilany anefa ny CIO mahita fa atleta tokony handray anjara amin’ny lalao olimpika ilay atleta. Misy ny fanasana manokana omen’izy ireo ilay antsoina hoe Wild Card mba ahazoany mandray anjara amin’ny lalao olimpika. Maharitra 2 taona eo ny fifantenana ireo atleta ho any CIO, nanomboka ny 24 jona 2024 izany ary tokony nifarana ny 23 Jona teo.

Fepetra eo anivon’ny firenena

Mandritra ny taona maro ny fanomanana ataon’ireo atleta ahazoana ny « wildcard ». Ny federasioana no mifantina ireo mpilalao handray anjara amin’ireo « circuit olympique ». Ireto farany dia efa manana ny antonta-kevitra mirakitra ireo atleta rehetra afaka mandray anjara amin’ny lalao olimpika ho avy. Rehefa manaikaiky ny fotoana hizarana ireo wild card, izy ireo no manome ny anaran’ireo mpilalao mendrika hisolo tena ny firenena any amin’ny J.O. Ny COM na ny Kaomity olimpika kosa no tompon’ny teny farany amin’ireo anarana izay tena hisolo tena ny firenena. Isan’ny fepetra takiana amin’ireo atleta kosa ny fisalorany ny anarana maha ekipam-pirenena azy, sy ny fipetrahany nandritra ny 3 taona mahery tao amin’ilay firenena. Tsara ho marihana fa manana ny fetr’isa ny federasiona tsirairay avy amin’ny fandefasana ireo solotenany. Anjaran’ny COM sy ny CIO kosa no manapaka ireo Atleta hisolotena ilay firenena na ny isan’ireo fanasana mety omeny ireo tokony ahazo izany.

Lire la suite

Articles Similaires