• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanomanana fetim-pirenena - Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana

24/06/2024 20:12 © Moov

Efa herinandro vitsy izay no niaina tao anaty fanomanana sy fikarakarana ny hiatrehana ny fetim-pirenena ny rehetra. Seho, hetsika miavaka ary fety ao anaty filaminana kosa no andrandraina manoloana izany

Hankalaza ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny fijoroan’ny folohalindahy i Madagasikara amin’ity taona ity. Efa maro ireo seho sy hetsika nentina nisantarana izany fankalazana izany. Nanambara ny ministrin’ny folohalindahy androany, fa nilamina ary tao anatin’ny fitoniana tanteraka no nanatontosana ireo hetsika santatra. Mitohy rahampitso 25 jona sy ny Alarobia 26 Jona kosa izany fankalazana izany manerana ny nosy. Ny vahoaka malagasy rehetra hoy ity farany no miara misalahy ao anatin’ity hetsika fanamarihana ny nahazoana ny fahaleovantena ity. Mila filaminana ary mila fandriampahalemana ny vahoaka. Manentana ny rehetra ny amin’ny fanajana ireo torimarika sy fepetra tokony arahina araka izany ny tenany. Ny fanajana ny olom-pirenena rehetra dia isany soa toavina Malagasy. Manoloana izany indrindra, hisy ny fepetra ho raisina amin’ ireo minia manankorotana ireo toromarika hitandroana ny filaminana. Misy ireo mpitandro filaminana hanao ny fampisehoana mandritra ny lanonana, misy amin’izy ireo kosa no hiantoka manontolo ny fizotra ny filaminana. Efa misy kosa ny paikady sy ny « Emo » isaky ny ambaratonga hanaramaso ny faritra tsirairay. Ankotran’ny filaminana, ilaina ny fahaiza miaina sy ny fanajana ireo tontolo manodidina. Manentana ny fahendreny malagasy hiatrika fety araka izany ireo tompon’andraikitra ny amin’ny fanajana ireo fananana iombonana.

Fandaharam-potoana ankapobeny

Ny faritra 24 manerana an’i Madagasikara no mankalaza ny fetim-pirenena. Araka ny mahazatra isan-taona, misy ny afomanga lehibe rahampitso 25 Jona, eto antananarivo sy manerana ny distrika rehetra. Raha ny eto andrenivohitra manokana, isan’ny hampiavaka ny hetsika rahampitso ny « Show drone ». Ny 26 Jona kosa, hizara roa ny fankalazana, ny maraina misy ny lanonana ara-miaramila ary ny tapany hariva ny « Grand podium national ». Fomba iray maneho ny nahazoana ny fahaleovantena ny fanatanterahana ireo matso ara-miaramila. Raha ny heviny dia fanehoana amin’ny vahoaka manontolo, ny hery fiarovana sy hery velona rehetra misy eo anivon’ny firenena izany. Miaramila, polisy, zandary miisa 3 770 no hilahatra mandritra izany. Fitaovana vaovao isan’ny ho haranty mandritra ny hetsika ny angidimby vaovao iray ampiasain’ny tafika an’habakabaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo