• Cours de change
  • 4772.56 AR
  • |
  • $4465.15 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
Madagasikara

Fomba Malagasy : Inona avy ireo tokony atao rehefa hitokana trano ?

25/06/2024 05:43 © Moov

Fifaliana lehibe tokoa izany fahavitana trano izany. Misy ireo misafidy ny tsy hiteniteny, saingy misy kosa no manasa havana sy namana amin'ny fiaraha-mifaly. Matetika dia ny fanomanana ny fety no tena mahamaika, fa adinodino ny fomba Malagasy. Misy teboka tokony mbola hajaina nefa, mba hanandratana ny maha-malagasy.

Mijery andro

Andro manan-tantara ny fitokanana ny trano. Manomboka eo mantsy dia dingana vaovao no atrehan'ny ankohonana tompon-trano. Izany indrindra no ilàna isafidianana tsara ny daty hanatanterahana ny lanonana. Ho an'ireo mpandala fomban-drazana dia azo atao tsara ny manantona mpanandro. Izany no atao dia mba hisorohana ny loza mety hiseho ary indrindra hahazoana fahasoavana hatrany. Misy kosa nefa ireo tsy liana amin'ny fanantonana mpanandro intsony noho ny fivavahana na faharesen-dahatra manokana. Azo atao ny misafidy daty manandanja, toy ny fitsingerenan'ny taona nahaterahana ohatra.

Mikarakara sakafo

Raha ny tena fomba Malagasy dia tsy "traiteur" no alaina hikarakara sakafo, fa ny tompon-trano no misahana izay rehetra atolotra ny mpanotrona. Ny marainan'ny fitokanana dia tokony mamelona afo any amin'ny tranon'olona manan-katao iray ao an-tanàna. Olona efa tafita amin'ny fiainana sady manana lapasoa no antonina amin'izany. Rehefa velona ny afo vao entina mankany amin'ilay trano vaovao ka iny no andrahoana ny sakafo rehetra. Tsara ny manamarika fa tokony tazomina ny afo mandrapaharivan'ny andro. Misy olona tokony hanara-maso izany ny afo, ka na vita aza ny fikarakarana ny sakafo dia velomina hatrany izany afo izany.
Ny maraina dia tokony manomboka ny fiaraha-misakafo, ka ny atolotra voalohany dia ny vary sosoa notondrahan-dronono sy tantely. Azo atao tsara ny manomana sakafo hafa, izay tokony ho mamy raha azo atao. Ny atoandro indray dia omby no hilaofana ny vary mena.
Ireto avy ny karazan-kena mila hanina amin'ny omby sy ny heviny :
-Fanangankena : mba hahatsangana tokoa anie
-Vorivorinkena : hahavory harena ka ho tamana ao amin'ilay trano ny rehetra
-Trafonkena : mba ho feno voninahitra ny tompon-trano, mba ho irin'olona fa tsy haniry olona.
Tsy midika akory izany hoe tsy mahazo mihinana nofonkena. Atambatra ny karazan-kena rehetra. Izany no mahatonga ny olona mitokana trano mamono omby mihitsy.

Fehim-pihavanana

"Solom-biriky" no anarana iantsoana ny tsodrano atolotr'ireo mpanotrona ny tompon-trano. Atao anaty valopy fotsy izany ka atolotra an-tanandroa. Ny fomba fiarahaba kosa dia hoe “Arahaba nahavelona afo”.
Azon'ny tompon-trano atao tsara ny maka mpitsoka mozika hialoha lalana ny fandrehetana afo sy ny fitondrana ny afo any amin'ny trano vaovao. Mahafinaritra ihany koa ny fety raha misy mpihiragasy manafana. Azo atao tsara ny manomana mofomamy na koba hamaranana ny lanonana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo