• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Malagasy Rugby
Image
Sport

RUGBY MEN’S SEVEN 2024- Hihazo an’i maorisy tsy ho ela ny Makis

21/06/2024 15:01 © Moov

Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy. Miray vondrona amin’i Kenya, Nizeria ary Maorisy izy ireo.

Hifampitana tsara ireo iray vondrona
Ny 29 jona izao no hanatontosana ny Men’s Seven 2024, atsy Maorisy. Lalao eo amin’ny taranja baolina lavalava, lalaovin’olona 7 no hotanterahina ao anatin’izany, ary natokana ho an’ny sokajy lehilahy. Firenena miisa 12 no hifaninana ao mandritra izany. Mizara vondrona telo ary ahitana ekipa 4 avy. Raha ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, ao amin’ny vondrona A no misy azy, miaraka amin’i Kenya, Maraoka ary i Nizeria. Araka ny fandaharan-dalao, ry zareo Nizerianina no hifanandrina voalohany amin’ny Makis ny 29 Jona izao. Maorisy kosa no mpifaninana hifandona amin’izy ireo ny lalao manaraka. I Kenya kosa no mamarana ny lalaom-bondrona ho any andro voalohany. Raha ny fantatra aloha hatramin’izao, ry zareo Kenya no mafimafy amin’ireo mpifanandrina amin’ny Makis. Azo heverina tsara kosa ny hifampitana amin’izy ireo mandritra ny lalao. Ho an’ireo vondrona hafa kosa, ho an’ny vondrona B : Ouganda, Burkinafaso, Tonizia, Cote d’Ivoire. Vondrona C : Zimbaboe, Zambia, Namibia, Alzeria.

Hiatrika ny Men’s seven Tour no tanjona

Raha ny fandaharam-potoanan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina lavalava eto Madagasikara, ny 25 jona izao no mety hanainga hihazo an’i Maorisy ireo delegasiona. Ao aorin’izay dia hanaraka azy ireo ny filohan’ny Federasiona Malagasy, Rakotomalala Marcel. Ity farany izay nahazo fanasana manokana amin’ny fanatrehana ny lalao any an-toerana.
Tsara ny mampahafantatra fa izay tompondaka sy tompondaka lefitra amin’ity fifaninana ity no mahazo ny tapakila fandraisana anjara amin’ny « Men’s seven tour », lalao hahafahana miatrika ireo fifaninanana rehetra amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona fito manerantany.

Lire la suite

Articles Similaires