• Cours de change
  • 4773.83 AR
  • |
  • $4464.45 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Classement FIFA- Nandroso teo amin’ny laharana faha-104 ny Barea

21/06/2024 14:50 © Moov

Niakatra eo amin’ny laharana faha-104 i Madagasikara, araka ny filaharana navoakan’ny Fifa omaly 20 jona 2024 tamin’ny tambajotran-tserasera.

Nahitam-bokany ireo fifanintsanana natao tany Afrika Atsimo

Fivoarana lehibe no vitan’ny ekipam-pirenena malagasy tao anatin’ny iray volana. Laharana dimy no voadingan’izy ireo ny volana mey sy jona. Navoakan’ny FIFA tamin’ny fomba ofisialy omaly tao anaty tambajotra-tserasera izany. Ity fiakarana teo amin’ny laharana ity no vokatra nandritra ny andro faha-3 sy faha-4 tamin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026. Araka izany, izay vao nihetsika ny toerana nisy ny Barea taorin’izay lalao rehetra nataony izay. Raha tsiahivina, teo amin’ny laharana faha-109 ny Barea teo aloha. I Mozambika kosa no laharana faha-103.
Niakatra eo amin’ny laharana faha-24 koa ny Barea an’i Madagasikara aty Afrika. Teo amin’ny laharana faha 27 kosa no nisy azy ny volana mey lasa teo. Araka izany, manomboka tafaverina eo amin’izay toerana misy azy izay ny taranja baolina kitra eto Madagasikara. Na eo aminny sehatra kaontinantaly na ny maneran-tany izany. Ny taona 2020 no tafiditra tao anatin’ny laharana 100 voalohany ny baolina kitra malagasy. Mbola ilaina ny fanamafisana sy fanohizana ny ezaka mba hihoarana izay efa vita teo aloha. Raha ny tohin’ireo fandaharan-dalao, ny volana septambra izao no hanomboka ny fifanintsanana CAN 2025; ny volana martsa 2026 kosa ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny fiadiana ho tompondaka maneran-tany 2026.

Mety ho tafiditra ao amin’ny satroka faharoa ny Barea

Azo heverina ny hiakaran’ny Barea ao amin'ny satroka faharoa, mialoha ny antsapaka hahafantarana ny firenena hiray vondrona amin'ny fifanintsanan'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny baolina kitra izay hotontosaina any Maraoka. Ny 4 jolay izao no hatao any Johannesburg, Afrika Atsimo ny antsapaka. Tsara fipetraka aloha hatreto ny ekipam-pirenena malagasy. Raha tafiditra ao anatin’izay satroka faharoa izay dia iray ao amin'ny satroka voalohany ihany no mifandona aminy ary izay ao amin’ny satroka fahatelo sy fahefatra no sisa. Misy araka izany ny fanantenana hahatonga any amin'ny famaranana any Maraoka satria dia miisa 24 ireo ekipa miakatra ary roa isam-bondrona no miakatra mivantana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo