• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Basic-Fit
Image
Sport

Telma Coupe 2024 : Lalao ampahefa- dalana

17/06/2024 15:21 © Moov

Ekipa efatra no hiady ny tapakilan’ny famaranana: Elgeco Plus sy ny Inate Fc Rouge ary ny Disciples sy ny CFFA.

Fantatra omaly ireo tafita amin’ny manasa-dalana

Tontosa omaly teny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus, By-pass ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ny taranja baolina kitra « Telma Coupe 2024 ». Anisan’ny tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana izany amboara izany ny ekipan’ny Elgeco Plus Analamanga. Teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, lavony tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Ajesaia Bongolava. Ankoatra ny Elgeco Plus, ny Inate FC Rouge Vakinankaratra sy ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra no tafakatra amin’ny lalao manaraka. Ny ekipan’ny Inate FC Rouge no hifandona amin’ireo mpilalao Elgeco raha toa ka ny CFFA hifanandrina amin’ny Disciples FC. Tsara ny mampahafantatra fa klioba efa nifankazatra nandritra ny Kaonferansa Atsimon’ny fifaninanam-pirenena « Cocacola Pureplay Football League » ireto ekipa efatra ireto.

Lalao miverina eo amin’ireo klioba efatra

Tao anatin’ny lalao farany nifanandrinan’ny Inate FC Rouge sy ny Elgeco, ny volana febroary lasa teo, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta. Mbola mitady fandresena manoloana an’i CFFA kosa ny Disciples FC, izay lavon’ny mpilalaon’Andoharanofotsy tamin’ny isa 1 no ho 0 nandritra ny andro fahefatrin’ny “PFL 2024”. Izay mahazo ny amboara amin’ity, no mandray anjara amin’ny “Super Coupe” hifanandrinana amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara tamin’ny taon-dasa. Izay mivoaka mpandresy amin’izany no solontenan’i Madagasikara, hifanintsana amin’ny Kaonfederasiona afrikanina CCAF. Raha mbola ry zareo Elgeco Plus no mahazo ny amboara amin’ity, tsy misy ny “Super Coupe.”Mbola tsy fantatra moa amin’ izao fotoana izao ny toerana hananterahana ny lalao manaraka sy ny daty hanantosoana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo